Vahiny manokan’ny Zanak’i Dada etsy amin’ny Magro Behoririka amin’ity alakamisy 7 febroary 2013 ity ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina.
Amin’ny alalan’ny antso an-tariby no hifandraisana sy hifampitam-baovao amin’izany. Tsy tongatonga ho azy izany fa tohin’ny lojika tamin’ny ampamoaka sy famoahana ny marina nataon’ity manamboninahitra niara-dia tamin’i Andry Rajoelina tamin’ny 2009 ity. Tsoa-kevitra telo lehibe no azo raisina amin’ity tranga hafa kely ity. Voalohany, efa manomboka izao ny fampihavanana satria raha nisy ny tena nifampitady sy ny nifanenjika ary nanao hazalambo ka nifankahala dia ny olon’ny ankolafy Ravalomanana sy ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina (komandà tamin’izany fotoana), ity farany izay lohalaharana tamin’ny fisamborana ireo rehetra sahy nijoro nanohana ny filoha teo aloha tamin’ny 2009 sy 2010 no sady namoaka teny mahery, niampy fikasihan-tanana.
Mamitram-pihavanana anefa ny roa tonta ankehitriny. Faharoa dia dona mavesatra ho an’i Andry Rajoelina sy ny ekipany izao fidiran’ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina ao amin’ny Magro Behoririka izao, izay vao sambany tao anatin’izay efa-taona izay. Mitombo isa indray izany ireo “namana” teo aloha, resy lahatra fa aleo milaza ny marina rehetra ary vao mainka manampy trotraka ny fahavoazan’i Andry Rajoelina izany taorian’ny tsy nampahomby ilay tetika hanatanterahana mialoha ny fifidianana solombavambahoaka. Fahatelo dia mbola ho voaporofo indray amin’ny alalan’ny fijoroana vavolombelona hataon’ity manamboninahitra ity eny amin’ny Magro fa zavatra efa nomanina ny 7 febroary 2009, ary madio tanteraka ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana izany.
Mangetaheta ny marina
Amin’ny antsipirihany ny fanazavan’ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina ny drafitra sy paikady rehetra nanomanana ny 26 janoary sy 7 febroary 2009, ao amin’ilay taratasy ampamoaka nosoratany, ary mbola nohamafisiny tamin’ny horonan-tsary “vidéo” niparitaka tamin’ny aterneto. Ny fitondrana tetezamita tamin’ny alalan’ny minisitry ny fitsarana moa dia efa niaro tena ary nilaza fa mety tsy salama saina tsara, hono, ity manamboninahitra ity ka mety miteniteny foana. Ary dia nampirimina fotsiny ilay dosie ampamoaka 7 febroary fa tsy mba nanokafana fanadihadiana, hahafantarana ny tena marina. Fa nahoana ary ?
Mampiahiahy ny aretina nahazo ny kolonely Charles tany Tsiafahy, hoy ny fianakaviany. Mety mahalala zavatra izy ireo matoa nilaza izany. Efa nisy koa, araka ny nambaran’izy ireo ihany ny fihaonana manokana teo amin’i Andry Rajoelina sy ny rain’ny kolonely Charles, tany Manakara, fifampiraharahana no natao tany, hoy ny kolonely Charles mba hanomezana azy toerana any ivelany ho tambin’ny fahanginany. Mangetaheta ny marina rehetra momba iny raharaha 7 febroary iny ny olona satria tsy rariny raha olona iray no terena hibaby ny hadalana sy ny heloky ny hafa. Asa na efa nahatsinjo ny mety hiafarany ihany, noho ny zavatra nataony angamba i Andry Rajoelina, izay tsy mbola notsaraina matoa nanaiky ilay famotsoran-keloka. Izao koa dia mbola mangataka ny fanafoanana ny saziny any amin’ny Vondrona Afrikanina indray. Toa manomboka miova mantsy ny fitsiokan’ny rivotra ary miha mipoitra ihany ny zava-miafina rehetra. Heverina fa tsy maintsy hanova zavatra maro eo amin’ny tontolo politika ity fivahinianan’ny kolonely Charles ao amin’ny Magro Behoririka anio ity ary hanokatra adihevitra sy fomba fijery vaovao amin’ny famahana ny krizy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.