Politique

Kolonely Charles Tsy hiala ao Tsifahy !


  • Alarobia 27 Jolay 2011

Noho ny resaka mandeha ny amin’ny fakana ireo manamboninahitra voarohirohy tamin’ny resaka BANI eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy dia naneho ny zava-boalazan’ny kolonely Charles tamin’izy ireo ny fianakaviany.

 Tamin’izany no nambaran’ireto farany fa «tsy hiala eny Tsifahy ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina raha tsy amin’ny fomba madio”. Nambarany tamin’ny fianakaviany fa tamin’ny fomba mazava no nampidirana azy teny ka tsy maintsy amin’ny fomba mazava ihany koa no hialany eny. Nilaza ihany koa ireo fianakavian’ny kolonely Charles fa «vonona hijoro hotsaraina amin’ny fitsarana iraisam-pirenena mikasika ny fanonganam-panjakana nataony niaraka tamin’ny filohan’ny FAT ny kolonely Charles”.

Ambetin-tenin’ity manamboninahitra ity ny hanaovana fampihavanam-pirenena izay niriany mafy ny hanaovana azy amin’ny teratany malagasy rehetra na iza na iza. Tsy vao aty am-ponja akory aho, hoy ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina vao nanana izany hevitra izany fa fony aho mbola mpanolotsain’ny filohan’ny FAT dia efa nilaza azy izany. “Rehefa tsy nanaiky izy dia nataoko izany tamin’ny alalan’ny fikambanana Cercle de Réflexion Fitovinany na CR7». Nisy ireo olona avy amin’ny FAT, ny avy amin’ny mpanohitra izay notarihin-dRtoa Thérèse Zafy vadin’ny filoha teo aloha Zafy Albert nanatrika ity fampihavanana nosantarin’ny kolonely Charles sy ny fikambanana CR7 ity.

 

Mohamed

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT