Omaly no natolotra ny Fampanoavana ireo efa-dahy ary samy naiditra am-ponja vonjimaika avokoa. Noho ny fanafihana ny tranon’ny Kolonely Charles, tamin’ny 19 septambra lasa teo, no antony nisamborana azy ireo.
Raha araka ny fantatra dia ilay miaramila izay monina etsy Betongolo no tena tompon’antoka voalohany. Nanangana andian-jiolahy izy niaraka tamin’ny sivily miisa telo. Nolazainy avy eo fa misy tranom-bazaha hotafihina eny Ankadivato. Dia roboka tokoa ireo namany ary natao ny fanafihana mitam-piadiana. Rehefa tonga tao an-trano anefa, ary efa nidaroka ny mpiambina iray, vao tonga saina ireo fa toa tranona manamboninahitra ilay trano. Asa na mety nahita ny sarin’ny Kolonely izy ireo ary teo vao raiki-tahotra ka nanao tari-dositra. Nametraka fitarainana teny anivon’ny BC ny Kolonely ary avy tamin’ny alalan’izay no niaingan’ny fanadihadiana. Teo no fantatra fa izany Didier izany no atidoha nikotrika.
Nosamborina tamin’ny faran’ny herinandro teo izy io nandritry ny fety izay nitranga tetsy Betongolo. Io indray no nanondro ny misy ny namany hafa taorian’izay. Ny fahefatra farany kosa dia fantatra fa nitolo-batana teny anivon’ny polisy ary tsy nanaiky hatramin’ny farany ny fiampangana azy. Naiditra vonjimaika eny Antanimora izy ireo mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy. Misesisesy ny fanafihana tranona manamboninahitra izay hatramin’izay dia anisan’ny fiadian’ny jiolahy tanteraka ny fandrobana ireny toerana ireny. Anisan’ny nanamarika izany ny fanafihana tranona jeneraly tetsy Andoharanofotsy, Jeneraly iray hafa tetsy Alasora. Izao koa dia tonga hatrany amin’ny tranon’ny Kolonely Charles izay anisan’ny nampalaza azy ny fahasahiany sy ny fahasiahany. Eo ihany ny hoe mety tsy mifidy hasiana intsony ireo olon-dratsy fa kosa eo ihany koa ny hoe efa tena sahy mifampidera taim-by amin’ny miaramila izy ireo. Eny fa na dia mpitandro filaminana hatrany ihany koa aza no ambadik’ireny asan-jiolahy misesisesy ireny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.