Politique

Kolo Rolland Atsangano ny «Comité de Salut Public»


  • Zoma 23 Aprily 2010

Manohana ny dinika fitadiavam-bahaolana ivoahana amin’ny krizy izay hotontosaina any Pretoria ny 28 aprily izao ny loholona teo aloha, Kolo Rolland.

Aminy anefa dia tokony samy hitana ny teniny ny ankolafy tsirairay ary tsy hanaiky ny tsindry isan-karazany ataon’ireo mpanao politika miaraka aminy. “Ny olana amin’ny tsy fahatanterahana ny satan’i Maputo sy ny tovana tany Addis Abeba dia noho ny fisian’ireo olona mahita tombontsoa amin’ny zava-misy ankehitriny ka mamadika ny baolina”. Raha toa anefa tsy tanteraka io fihaonana izay ambara fa ala nenina farany io na ihany koa tsy mitovy hevitra indray ny ankolafy efatra amin’ny fampiharana izay vita sonia dia ny fananganana ny “Comité de Salut Public” no vahaolana aroson’ity loholona avy any Menabe ity . “Izay olona tsara fanahy sy tena vonona hanarina ny firenena no hikambana ao amin’ny governemanta atsangan’ny antoko politika rehetra fa tsy ny ankolafy mifanolana ihany. Apetraka ho filoham-boninahitra i Andry Rajoelina”. Raha ny fanazavany ihany dia io governemanta io no hikarakara ny fifidianana rehetra manomboka amin’ny fitsapan-kevibahoaka andaniana lalàmpanorenana arahan’ny fifidianana solombavambahoaka. “Omena  ny miaramila amin’ny alalan’ny fiaraha-mitantana na “direction collegiale” ireo minisitera mandray anjara mivantana na misy ifandraisany amin’ny fifidianana toy ny minisiteran’ny atitany, fitsarana ary ny minisiteran’ny fanabeazana izay fitaovana fanaovan’ny mpitondra propagandy”.

Nanamarika koa i Kolo Rolland fa tsy ilaina intsony ny fametrahana ny komity hisahana ny fampihavanam-pirenena na CNR satria tsy hisy olona azo terena hifanoroka na hifamela raha tsy sitrany. Ho azy dia efa midika ho fampihavanam-pirenena ny fiaraha-miasan’ny mpanao politika tsy mitovy hevitra ankehitriny amin’ny fitantanana ny firenena rehefa tafajoro ara-dalàna ilay governemanta iraisana.
 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT