Politique

Kolo Roland «Laharam-pahamehana ny famerenana ny fifandraisan’ny Malagasy»


  • Zoma 28 Mey 2010

Mpanao politika nandroso ny soso-kevitra fananganana ny governemantan’ny fanavotam-pirenena i Kolo Roland. Amin’ny ankapobeny dia noraisin’ny FAT ny tolokeviny saingy maro loatra kosa anefa ireo minisitra miaramila raha ny fahitany azy.

Tokony ho olona fanta-bahoaka sy efa manana traikefa amin’ny fitantanana ny firenena toy ny solombavambahoaka na minisitra taloha na mpanao politika efa za-draharaha sady tsy manana fiandaniana  no maro an’isa ao amin’ny governemanta, hoy izy. «Azo ekena ny fanomezana andraikitra ny miaramila raha olona misokatra amin’ny adihevitra izy ireo fa tsy mpanatanteraka baiko fotsiny», hoy ity loholona teo aloha ity. Nohamafisiny koa fa «ny fifandraisan’ny Malagasy aloha no tokony hatao laharam-pahamehana ny famerenana azy raha tsy izany dia tsy misy na inona na inona ho vanona eto. Amin’ny alalan’ny fiverenan’izy 4 mirahalahy mpitarika ankolafy mifampidinika  no hanatanterahana izany». Momba ny dinika politika izay kasain’ny FAT hotanterahana dia mihevitra ity mpikatroka Arema mafana fo avy any Menabe ity fa «tsy mety raha ny tora-pon’ireo mpandray anjara 500 amin’izany no horaisina”. Soso-keviny ny fanankinana ny fikarakarana sy fanomanana izany amin’ny komity teknika izay ahitana ny solontenan’ireo teknisiana sy olobe mahasolo tena ny Faritra 22. Nasiany resaka koa ny momba ny volavolan-dalàmpanorenana vaovao izay nambarany fa tokony hanome fahalalahana amin’ny fampidiram-bola ho an’ny faritra sy ny kaominina. «Na rafitra federalista na rafitra manome vahana ny fitsinjaram-pahefana no lany eo dia tsy misy olana izany. Ny zava-dehibe dia ny fahazoan’ny faritra tsirairay fizakan-tena ara-bola tanteraka fa izay ihany no antoky ny fampandroasana ahitam-bokany haingana ho an’ny vahoaka».

 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT