Politique

Kolikoly avo lenta Tsy ho afa-bela ny filoha sy ny praiminisitra


  • Alarobia 12 Aprily 2017

Mampiahiahy ny fihetsiky ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, izay toa tsy te hiresaka sy te hampangina ny raharaha Claudine Razaimamonjy, ka omaly nandritra ny fitokanana fotodrafitrasa teny amin’ny tobin’ny miaramila teny Soanierana,

dia nitsoatsoaka ny mpanao gazety ny tenany mba tsy ho tratry ny fanontaniana mikasika ity raharaha ity. Raha tena mandeha tsara ny fanadihadiana sy fikarohana ireo mpiray tsikombakomba tamin’i Claudine Razaimamonjy, dia tsy ho afa-bela amin’izao raharaha izao ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier. Ny filoha dia namana akaikin’i Claudine Razaimamonjy, izay anisan’ny nanampy betsaka tamin’ny fananganana ny antoko HVM sy ny propagandy nampandaniana an’i Hery Rajaonarimampianina tany Fianarantsoa. Tsy azo inoana hoe tsy mahafantatra ny bizina sy ny afera nahavoatonontonona matetika an’ity mpandraharaha ity ny filoha. Ny praiminisitra sady minisitry ny atitany sy ny fitsinjarampahefana kosa na minia mangina aza dia tsy afa-bela amin’ny resaka fanomezana tsenam-panjakana sy ny fanorenana na fanamboarana fotodrafitrasa toy ny sekoly, biraon’ny kaominina… Tokony halaina ambavany izy ireo fa mahalala zavatra satria sarotra ny hino fa hahavita fahagagana samirery i Claudine Razaimamonjy. Misy amin’ny mpanao gazety rahateo no efa manana ny porofo amin'ireo afera maizina hafa nataon’i Claudine Razaimamonjy ary mahavoasaringotra olona ambony maromaro, ary inoana fa mety efa eny am-pelatanan’ny Bianco. Resaka fanabontsinana faktiora amin’ireny tsenam-panjakana ireny izy ity na “Surfacturation”, ka hifampizarana ny vola avy eo, izany hoe ilay orinasa nanao ny asa, ny manampahefana ao amin’ny toerana nanaovana ny asa, ny manampahefana aty amin’ny fanjakana foibe ary ilay olona mpanera no mifampizara ny vola.

Mila mihetsika ny andrim-panjakana

Manomboka voaporofo tsikelikely ny lahatsoratra navoaka teto amin’ny Gazety Tia Tanindrazana ny 21 febroary 2017, fa fanjakan-jiolahy ny fanjakana HVM noho ny kolikoly sy afera tsy tambo isaina mahasaringotra ireo akaikin’ny filoha, ary na izy tenany aza mety tsy afa-miala ao anatin’izany. Tsy mbola mitsangana mandrak’ankehitriny ny Fitsarana ambony afaka hitsarana ny filoha sy ireo olona ambony mandika lalàna, saingy tokony tsy hipetra-potsiny amin’izao raharaha izao ny Antenimiera roa tonta, indrindra fa ny solombavambahoaka, raha tena misolo tena ny vahoaka Malagasy tokoa. Raha handray ohatra isika, dia resaka kolikoly avo lenta no nampiongana an’I Dilma Rousseff, filoha Brezilianina ny taona 2016. Toy izany ihany ny an’i Park Geun-Hye, Filohan’i Korea Atsimo, nosamborina sy naiditra am-ponja mihitsy ny volana Martsa lasa teo noho izy nahiana tamina resaka kolikoly. Samy nandray andraikitra avokoa ireo andrim-panjakana sy ireo rafi-panjakana nanoloana ny tsy nety, ary samy niaiky ny helony ireo filoha nanao fahadisoana, ary nanaiky niala tsotra. Mety hisy eto Madagasikara ve izany ?


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT