Politique

Kolikoly avo lenta Mpanolotsain’ny Filoha 2 hosamborina


  • Alatsinainy 10 Aprily 2017

Miha mangotraka ny raharaha kolikoly mahasaringotra ireo mpanolotsain’ny filoham-pirenena.


  Mandeha ny resaka amin’ny hitadiavana hevitra handefasana an’i Claudine Razaimamonjy any ivelany, ka ho vita ho azy ny fitsoahana. Hentitra kosa anefa ny fanaraha-maso sy ny fisakanana ny hahatanterahan’ny mety ho hevi-petsy tahaka izany satria tsy maintsy hizaka ny saziny ity farany na ho ela na ho haingana ary tsy ho afa-bela intsony, raha ny fanadihadiana natao. Mbola vao dosie 2 rahateo no vitan’ny Bianco fanadihadiana, ka nanolorana azy teny amin’ny Fitsarana manokana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny CPAC, ary nivoahan’ny fanapahan-kevitra ny hampidirana am-ponja azy vonjimaika na MD. Raha ny fanomezam-baovaon’ny Bianco ny faran’ny herinandro teo, dia mitentina 500 000 000Ariary ny resaka kolikoly tamin’ireo dosie 2 ireo, ka 150 000 000Ariary dia fanodinkondinam-bola ho an’ny kaominina Ialananindro Fianarantsoa tamin’ny taona 2014 ; 200 000 000Ariary fanampiana tokony ho an’io kaominina io ihany ho an’ny taona 2015 ary ny 150 000 000 tafiditra tao anatin’ny dosie faharoa kosa, dia fanampiana tokony ho an’ny kaominina Mahasoabe Fianarantsoa. Mbola vao ampahana dosie no vita fa mbola mitohy ny fanadihadiana ireo dosie hafa eo anivon’ny Bianco. Sy mbola voaresaka ihany koa ny mikasika ilay 390 000 000Ariary tany Ambohimahamasina.

Trondro be 2 hosamborina


Tsy mijanona eo amin’i Claudine Razaimamonjy ihany ity raharaha ity, fa mbola misy mpanolotsain’ny filoha tsy maintsy hosamborina raha ny vaovao mivoaka ankehitriny. Miisa 2 izy ireo, ary efa nanaovan’ny Bianco fanadihadiana. Efa tena mafana ny raharaha ary atahorana ny haha votsotra azy ireo, ka namoahana didy tsy fahafahana mivoaka an’i Madagasikara na IST mihitsy sao mandositra. Efa arahi-maso akaiky izy ireo ankehitriny, raha ny fikaroham-baovao, ka amin’ity herinandro ity no mety hisamborana azy. Efa niaraha-nahita sy nandre rahateo ny fanehoan-kevitry ny Bianco ny tsy hihemotra sy tsy hanaiky lembenana intsony manoloana ny tsindry isan-karazany, toy ny nataon’ny minisitry ny fitsarana Malagasy Charles Andriamiseza, izay nitaky ny hamotsorana an’i Claudine Razaimamonjy. Hafana sy hangotraka ity raharaha ity, raha ny fahitana azy.



 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT