Politique

Kohen Rivolala « Tokony ho mpanolotsain’ny filoha aho »


  • Sabotsy 01 Jolay 2017

Efa novoizin’i Kohen Rivolala, mpanorina ny fivavahana Hebraika Judaisme eto Madagasikara sady mpitsabo amin’ny alalan’ny fomba ara-kabalistika « tik tak do » fa ny Malagasy dia taranaka Hebreo,

ary i Madagasikara dia mila miverina amin’ny fombany raha te handroso satria ny firenena tsy manaja ny fombany dia very zo. Anisan’ny fomba hebreo raha ny fanazavany ny famorana ary efa talohan’ny fanjanahantany no nanaovan’ny Malagasy ny famorana. Ambarany fa vokatry ny hetraketraka natao aminy no mahatonga ny sazy ho an’ny firenena amin’izao fotoana. Efa ela i Kohen Rivolala no nilaza fa mila manokatra varavarana aminy ny mpitondra satria izy no vahaolana sy lakilen’i Madagasikara saingy tsy misy mihaino, raha ny fanehoan-keviny. Tsy mitaky volabe ana miliara aho fa ny tena mety dia tendrena ho mpanolotsain’ny filoham-pirenena, ka izay vava havoakan’ny tenany  mpaminany, izay avy amin’ny fanahy mihitsy no arahina, hoy izy. Tsy afaka miasa raha eny ivelany fotsiny no mitabataba, raha ny fanazavany. Ho vahinin’ny fandaharana Vahaolana ao amin’ny onjam-peo Top Radio FM 102.8 i Kohen Rivolala rahampitso alahady 2 jolay, manomboka amin’ny 1ora tolakandro, ary hiresaka bebe kokoa momba ireo fanehoan-keviny ireo, ny zavatra niainany, ny faminaniany ny ho avy…


Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT