« Ctic ctac dou », io no raiki-pohy no sady fitaovana mahomby hany hahafahana mamaha ireo olana mitranga eo amin’ny firenena ankehitriny, araka ny filazan’i Kohen Rivolala azy
. Ity lehibena antokom-pivavahana iray eto Madagasikara ity moa raha tsiahivina dia voarohirohy noho ny resaka fanelazana aretina mampirifatra iray izay nolazaina fa ambalavelona ny volana mey lasa teo. Nosamborina tao Miandrivazo izy ny 8 jona 2016, hoy ny fitantarany, fa nolazaina hoe nanakorontana fiainam-pirenena. Nanomboka niseho indray ny tenany ary dia nilaza fa tsy dia nampino azy loatra fa io tokoa no antony nisamborana azy satria dia na ireo mpitandro filaminana sy mpitsara aza, hoy izy, dia nilaza hoe baiko ny anay ary izaho rahateo efa nilaza tamin’ny 2014 fa hilatsaka ho filoham-pirenena amin’ny 2018.
Resaka 2018
Raha nanontaniana moa izy sao izay resaka filatsahany ho kandida filoha amin’ny 2018 izay no antony nisamborana azy dia novaliany tokoa fa mety ho izay angamba na zavatra hafa satria taorian’ny nivoahany ny fonja dia tsy nisy intsony ny ambalavelona. Efa tamin’ny 2012, hoy izy, no nananako tetikasa hanavotra ny firenena ary asa 3 lehibe no ho ataoko dia ny hanova izao rafitry ny mpanjanaka izao ho rafitra mety amintsika sy hametraka ny fahefana ara-panahy mba hahafahana mamoaka ireo harem-pirenena hiadanana. Hojerena manokana ihany koa ny lafim-pitantanana. Nilaza moa ny tenany fa ho avy ato ho ato ny fampahafantarana ny mpanao gazety io fanamafisany ny filatsahany io kanefa dia miandry ny fitondram-panjakana koa izy hiantso ny tenany hamaha ny olana misy amin’izao fotoana.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.