Politique

KMFB Tsy mazava ny lalan-kizorana


  • Alarobia 17 Aogositra 2016

Manoloana ny fanambarana nataon’ny AFP amin’ny hetsika fanavotam-pirenena hataony amin’ny zoma 19 aogositra izao dia resy lahatra izahay KMFB na ny fikambanana nanohana ny filoha teo aloha,

 Marc Ravalomanana, tamin’ny fotoan’androny izay tarihan-dRazafitsiferana Liva fa hanohana tsy misy fepetra izany antso izany. Heverinay, hoy izy, fa hany  vahaolana tokana hisian’ny tena fanavotam-pirenena eto Madagasikara io hetsika hotarihan’ny AFP io satria fahafaham-bahoaka no tian-kaseho amin’io fotoana io. Vonona izahay, hoy ihany izy, ary efa am-panantanterahana mihitsy ny fitetezam-paritra ary mandresy lahatra ny vahoaka tsy vakivolo hanara-dia anay koa. Isika Malagasy mantsy no tompon-tanindrazana miaraka no afaka hanavotra ity firenena iombonana ity ary ny tanjona dia ny hananana fitondrana Malagasy marina, tany fehezin’ny Malagasy ary Malagasy migoka sy mihanoka amin’ny harem-pireneny eto amin’ny taniny izay vao miditra ny hafa. Mila rafitra vaovao anefa vao ho tonga amin’izany. Tsy dia fantatra marina ny lalan-kizoran’ity fikambanana ity satria toa mifanipaka  amin’ny foto-kevitra hijoroan’ny olona notohanany taloha. Tsy mankasitraka ny fidinana an-dalambe hanongam-panjakana mantsy Atoa Marc Ravalomanana.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT