Politique

KMFB Itaosy Nanao diabe faharoa manohitra fifidianana


  • Talata 02 Novambra 2010

Nafana ny hetsika politika teny Atsimondrano teny ny faran’ny herinandro teo. Teo ny Diabe nokarakarain’ny KMFB Itaosy Atsimondrano Andrefana ny sabotsy 30 oktobra izay nahavory olona maro tokoa.

Ny alahady 31 oktobra indray dia nitohy teny amin’ny Magro Tanjombato ny hetsika. Ho an’ity voalohany dia hetsika faharoa nataon’ny KMFB Itaosy Atsimondrano Andrefana io, nanentanan’izy ireo ny olona any amin’ireo Fokontany tsy voatetin’izy ireo nandritra ny hetsika voalohany, tapa-bolana lasa izay, mba tsy hanaiky ary hanohitra ireo fifidianana izay rehetra isisihan’ny FAT hotanterahina, ary indrindra ihany koa hivonona amin’izay antso na sioka tokana farany ataon’ny Ankolafy Telo hoenti-mamarana izao krizy izao. Naharitra ora efatra sy sasany, teo anelanelan’ny tamin’ny valo ora maraina ka hatramin’ny mitatao vovonana mahery teo, ny faharetan’ity diabe ity. Lalana manodidina ny 18km no nodiavin’izy ireo tao anatin’izany ary Fokontany miisa 15, izay mifanelanelana ihany, no vita fanentanana.

Samy nitondra izay fitaovana noheveriny hahafahana maneho heviny ny tsirairay. Tao ny sorabaventy, tao ny taratasy fotsy misy soratra. Nangorompotsy ny filaharana. Olona maro hatrany no hita nitangorona tamin’izay toerana nolalovan’ny filaharana, izay nialohavana mpitsoka mozika. Ombieny ombieny dia nisy ny fijanonana kely tamin’ny Fokontany nanentanan’izy ireo ny olona mba tsy hanaiky ary hanohitra io fifidianana io ary niampy fanazavana fa ho sahirana amin’io ny firenena satria sady tsy hahazo fankatohavana iraisam-pirenena mihitsy isika amin’io, no vao mainka ny krizy mafimafy kokoa no miandry antsika amin’izao vanim-potoana fahavaratra izao. Nanamafy moa ireto KMFB ireto fa sady tsy mitaona ny olona hifidy izy ireo no tsy mampanao TSIA ihany koa ! 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT