KMF

Cnoe Tsy mahaleotena intsony ny CENI


  • Alatsinainy 11 Jolay 2011

Ho an’ny KMF/Cnoe na ny Komitim-pirenena mpanara-maso ny fifidianana dia tsy mahaleotena araka ny anarany intsony ny CENI vantany vao nahena na nozaraina ny fahefany.

 Taorian’ny filankevitry ny minisitra ny herinandro lasa teo mantsy dia nidiran’ny fanjakana mivantana ny fikarakarana ny lisi-pifidianana ka nanetsehana ireo solontenam-panjakana any amin’ny Fokontany, ny Kaominina, ny Distrika ary ny Faritra. Nisy ny filazana sy fanazavana fa tsy hijabaka amin’ny asan’ny CENI ireo olona sy vondron’olona irahan’ny fanjakana foibe ireo saingy vitsy no mino sy matoky izany, ary ny KMF/Cnoe manokana dia milaza fa mety hanakorontana ny fomba fiasa izany rehetra izany. Mety midika koa izany, araka ny hevitry ny KMF/Cnoe ihany fa tsy manankery sy tsy misy ilana azy ireo lisi-pifidianana nataon’ny CENI hatramin’izay ka nanirahana ireo mpiadidy fifidianana.

Raha toa ka famerenana tanteraka ny fandrafetana ny lisi-pifidianana anefa ny atao dia tsy ampy ilay hoe fe-potoana hatramin’ny jolay izao raha ny fahitan’ny KMF/Cnoe azy ihany. Anisan’ny mahatonga ny fanamarihana ny tsy fisian’ny fahaleovantena ara-bola eo amin’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana fa dia ny fitondrana tetezamita ihany no mamatsy vola azy. Ankoatra izay, manaraka ny fomba famoahana vola amin’ny sampandraharaham-panjakana ny CENI, mitarika ny tsy fahaleovatenan’ity rafitra ity amin’ny asa rehetra ataony izany ary miankin-doha tanteraka amin’ny fanjakana izy na amin’ny tetibola na amin’ny fanaraha-maso na vola ampiasaina. Isika rahateo ao anatin’ny tetezamita ary mety ho maro amin’ireo manampahefana ankehitriny no ho kandida amin’izay fifidianana ho avy eo. Tahaka ny fikambanana maro dia mandroso hevitra ny amin’ny tokony hananganana vaomiera manokana hanara-maso sy hanao tomban’ezaka ny asa vitan’ny CENI ny KMF/Cnoe ka ahitana ny solontenan’ny rehetra izy io. Ao ny fitondram-panjakana, ny mpanohitra, ny fiarahamonim-pirenena ary ny sehatra iraisam-pirenena sy mandà ny fahazoana famatsiam-bola avy any ivelany hahafahan’ny CENI miasa ara-dalàna. Tsara ny manamarika fa efa manana solontena iray ao amin’ny CENI amin’ny alalan’ny mpampiaka-teny Bruno Rakotoarison ny KMF/Cnoe.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT