Kmf

Cnoe Manahy ny amin’ny fandrafetana ny lisi-pifidianana ?


  • Zoma 01 Jolay 2011

Am-perinasa tanteraka ihany koa amin’izao fotoana ny Kmf/Cnoe na ny komitim-pirenena manara-maso ny fifidianana, araka ny nambaran’ny filohany Atoa Razafindrabe Ernest.

 . Manana solontena any amin’ny Faritra maro manerana ny Nosy ity fikambanana ity ary mijery akaiky ny fikarakarana ny lisi-pifidianana, izay fototra hampilamina na hampikorontana ny fifidianana. Aorian’ny 15 jolay hanakatonan’ny CENI ny fanoratana ireo mpifidy rehetra manerana an’i Madagasikara no hilaza ny fahitany ny asa rehetra sy ny fiomanana amin’ny fifidianana ny Kmf/Cnoe, araka ny fanazavan’ny filohany ihany. Eo mantsy, hoy Atoa Razafindrabe Ernest vao tena hita marina na vita araka ny tokony ho izy na tsia ny fanoratana ny mpifidy rehetra ao anatin’ny lisitra. Nampatsiahy anefa izy fa araka ny voasoratra ao amin’ny lalàna mifehy ny fifidianana dia hatramin’ny 30 novambra no afaka manao fifidianana isika amin’ity taona ity.

Somary miahiahy ihany koa ny Kmf/Cnoe raha araka ny nambaran’ny filohany na dia tsy niteny mivantana aza izy, fa mety tsy ho tratra ara-potoana ny fanaovana ny lisi-pifidianana raha ny fomba fiasa amin’izao fotoana no jerena. Nitaky ny tokony hametrahana vaomiera manokana hanara-maso sy hamaranana ny lisitra voarafitra aorian’io 15 jolay io ihany koa ity fikambanana ity ka hanana solontena ao anatin’izany ny fanjakana, ny CENI ary ireo mpanara-maso avy any ivelany.

 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT