Andrasana ankehitriny ny ketrika fanatsarana ny lalàm-pifidianana avy amin’ny Ceni (Commission Electorale Nationale Indépendante) taorian’ireo atrikasa fakan-kevitra miaraka amin’ny soso-kevitra
samihafa niarahan’ity Vaomieram-pirenena mahaleotena mikirakira ny fifidianana ity tamin’ireo mpisehatra isan-tsokajiny amin’ny fifidianana. Hevi-dehibe nisongadina hatreto ny fanajana izay voalazan’ny lalàmpanorenana mikasika ny fe-potoam-piasan’ireo olom-boafidy ankehitriny ho 5 taona. Tapitra ny 25 janoary 2019 ohatra izany ho an’ny filohan’ny Repoblika, izany hoe mila manana filoha voafidim-bahoaka vaovao i Madagasikara amin’io daty fahataperan’ny fe-potoana io, hoy ny filoha nasionalin’ny Kmf/Cnoe Rabekijana Félix. Teboka iray goavana tokony hita ao anatin’ny fanavaozana ny lalàm-pifidianana moa ny fahafahan’ny Ceni mandroso an-kalalahana ny tetiandrom-pifidianana. Ilaina voarakitra mazava tsara ao anatin’ny lalàm-pifidianana nasiam-panavaozana rahateo ny fahafahan’ny rafitra mahaleotena mikirakira ny fifidianana Malagasy mamaritra io alimanakam-pifidianana io, araka ny fanampim-panazavany.
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.