Politique

KME Toamasina Mifanala baraka noho ny resa-bola


  • Talata 16 Novambra 2010

Nihaona tamin’ireo komity mpanohana ny Eny na KME Toamasina tao amin’ny foiben’izy ireo tao Tanambao V ny Sekretera nasionalin’ny Tgv ho an’i Toamasina no sady filoha lefitry ny kongresin’ny tetezamita ho an’i Toamasina ihany koa, Rtoa Naharimamy Lucien Irma, nanazava tamin’ireto mpikambana ny tatitra nataon’ny filohan’ny FAT nandalo tao Toamasina ny faran’ny herinandro teo iny.

Volabe ?

Nandritra ity fihaonana ity nivadika gidragidra vokatry ny tsy fahazoana vola tamin’ireo mpanentana KME. Fantatra mantsy tamin’ny fanazavana azo fa «efa ho 40 andro ireto fikambanana miisa 34 eo anivon’ny KME Toamasina no niasa. Hatramin’izao tsy misy na ny ariary aza vola ho tambin’izany, na efa nifanarahana hatrany am-boalohany aza ny fahazoana ity fanampiana ara-bola ity». Nandritra ity gidragidra teo amin’ny fikambanana 34 nokaramain’ny KME Toamasina ity, sy Rtoa Naharimamy Lucien Irma, ity koa no nivoahan’ny resaka, na tsiambaratelo aza, fa nisy izany volabe izany nalefan’ny filohan’ny KME nasionaly ho fampandehanana ny asan’ny KME Toamasina, nefa hatramin’izao tsy hita ny nalehan’io volabe io, hoy hatrany ireto KME Toamasina. Raha nanazava anefa Rtoa Naharimamy Lucien Irma dia nilaza fa «tsy mahalala izany volabe nalefan’ny KME nasionaly izany izahay ; ny fantatray hatramin’izao dia tsy mbola nisy famatsiam-bola azon’ny KME Toamasina ; fa ny fepetra napetraka dia samy manao izay ampihodinana ny KME misy any aminy avy ny tsirairay».
 
Tsy marina indray !
Vokatr’ity raharaha ity, dia nisy ny fihaonana nifanaovan’ireo tompon’andraikitry ny KME Toamasina ireo sy ireo fikambanana 34 nasaina nanao ny fanentanana tao anatin’ny fampielezan-kevitra. Nandritra izay no nisian’ny fanazavana marim-pototra, araka ny filazan’izy ireo azy, nifanomezana sy nifampitana vaovao ihany koa teo amin’ny samy KME Toamasina sy ny KME nasionaly. Taorian’izay dia nambara tamin’ny mpanao gazety fa «tsy nisy ary tsy marina ny filazanay momba ity volabe nambaranay avy amin’ny filohan’ny KME nasionaly ity, te hahazo ny vokatry ny hatsembohanay izahay dia nilaza zavatra tsy nisy ; ka efa nifonanay tamin’ireo tompon’andraikitry ny KME Toamasina sy KME nasionaly izany zavatra nataonay nanala baraka azy ireo izany», saingy tsy nohamafisina kosa ny fahazoana na tsia ny volan’ireto KME Toamasina, na efa nisy ny fandaminana nataon’ireo mpivory ny hanomezana izany vola tambiny nanaovana fampielezan-kevitra nandritra ny 40 andro mahery izany.
 
Tsy mbola nisy ohatra ity mihitsy ny olam-pifidianana nisy teto Madagasikara hatramin’izay, niafara tamin’ny fifanalam-baraka sy fifampiampangana ary filazana zavatra tsiambaratelo, imasom-bahoaka mihitsy. Ny tsapa aloha, dia mitohy ny ady mangatsiaka eo amin’ny samy KME ao Toamasina amin’izao fotoana ankatoky ny fitsapan-kevi-bahoaka izao.
 
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT