Nitsidika ny ben’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana teny amin’ny toeram-piasany eny amin’ny lapan’ny tanàna Analakely ny mpiangaly ny taranja baolina lavalava sy haidy mivondrona ao anatin’ny klioban’ny TAM (Tanora Anosibe Milalao) omaly.
Nivoitra tao anatin’ny fihaonana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta, ka anisan’ny nodinihana ny fanatsarana ny fiarahamonina ao amin’ny tsenan’Anosibe, indrindra ny toby fiantsonana. Eo ihany koa ny fandinihana sy fanatsarana izay tokony hatao toy ny fotodrafitrasa, ny andrin-jiro, ny lakandrano sy ny fanadiovana ny tsena, indrindra ny andraikitry ny tanora amin’ny fitandroana ny filaminana. Hisy ny komity hatsangana eo anivon’ny TAM hijery ny toerana rehetra tokony hanaovana fanatsarana ary hadaminana ny asa atao. Amin’ny talata ho avy izao dia mbola hisy fifampidinihana eo amin’ny roa tonta, araka ny voalazan’ny Filohan’ny TAM Rakoto Jean Paul.
Nangonin’i Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.