Milaza ny vonona ny hanampy antsika amin’ny fikarakarana ny fifidianana ny Frantsay ary mampirisika ny fitondrana tetezamita hikaroka ny fomba hahatongavana amin’izany.
Tsy vao izao io fanomezana toky io fa efa hatramin’ny 2010 raha nanomboka nilaza ny heviny momba ny krizy eto Madagasikara ny vondron’ny tany miteny Frantsay na ny OIF, dia eo ihany koa ny Vaomieran’ny ranomasimbe indianina na ny COI. Samy fikambanana ataon’ny Frantsay fitaovana amin’ny fanjanahana amin’ny endriny vaovao izy ireo ary nanara-maso akaiky ny fizotry ny famahana ny krizy teto. Nisy tamin’ireo iraka manokana avy amin’izy ireo mihitsy aza no efa niezaka nandresy lahatra ireo mpanelanelana mba hanome vahana an’i Andry Rajoelina. Taorian’ny fanambaran’ny Sadc tany Sandton dia nilaza ny heviny avy hatrany ny Frantsay, ary araka ny fantatra dia efa manomboka manetsika ireo miara-dia aminy amin’ny fanampiana izao fitondrana izao mba hampihatra ilay sori-dalana izy ireo.
Dia ho avy indray ato ho ato ny OIF hilaza fa hanampy sy hanohana amin’ny fikarakarana fifidianana. Mahay politika ary fetsy ny Frantsay ka fikambanana no arosony hiaro ny tombontsoany fa tsy izy mivantana. Ny tsy tokony hohadinoina anefa dia savorovoro sy korontana hatrany no nitranga tany amin’ireo firenena Afrikanina nampirisihan’ny Frantsay hanao fifidianana haingana, satria notampena-maso tamin’ny fanampiana ara-pitaovana sy ara-bola ilay fiitondrana tetezamita mikarakara ny fifidianana koa dia roboka tokoa fa tsy mba nijery sy nandinika kely akory raha tena mahasoa ilay firenena ny fihazakazahana hifidy depiote sy filohan’ny Repoblika na dia mbola tena mafana aza ny fifandirana politika. Mitsipaka ny fehin-kevitry ny Sadc ny FAT ary tsy te hahalala izay tetezamita iaraha-mitantana izany satria efa nahazo toky tany ambadimbadika tany fa hahazo fanampiana raha manao fifidianana.
Ahiana ho ratsiratsy ihany, araka izany, ny mety ho tohin’ny tantara raha tsy miova hevitra i Andry Rajoelina ka manaiky sy manatanteraka izay nambara tany Gaborone sy Sandton izay tena azo itarafana ny fanapahan-kevitry ny sehatra iraisam-pirenena. Ny Vondrona Eoropeana dia efa nanamafy, tamin’ny 09 mey, fa izay tapaky ny SADC ihany ny azy no tanterahiny. I Frantsa koa tsy manam-bola hanampiana an’i Madagasikara lava eo fa ny mifanohitra amin’izay aza no tena marina, satria ny vola azony amin’ny fitrandrahana ny haren’ireo zanataniny fahiny ihany no mody hanampian’i Frantsa azy ireo.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.