Politique

Kianjan’ny demokrasia Lasa faritra mampidi-doza


  • Zoma 18 Janoary 2013

5 na 7 minitra raha nisy no nandalovan’ny mpanao politika niisa 12 notarihan-dRtoa Ravololomanana Lalatiana sy ny Pasitera Tsarahame Edouard tetsy Ambohijatovo nanoloana ny vavahadibe fidirana ny zaridaina, dia nadio ny rano nitan’izy ireo.

 Tonga niaraka tamin’ny fehezam-boninkazo iray izy ireo tokony ho tamin’ny 11ora antoandro tany ary nikasa ny hametraka izany teny amin’ilay kianjan’ny demokrasia. Nobahanan’ny mpitandro ny filaminana avy amin’ny Emmo-Reg notarihan’ny Kolonely lehiben’ny “Groupement Analamanga” anefa ny vavahady fidirana. Napetrany teo ambonin’ny vavahady ilay fehezam-boninkazo ary lasa izy ireo. Ho fanomezam-boninahitra an’ireo maty noho ny fitolomana ho an’ny demokrasia no antony nitondrana an’io voninkazo io, hoy Rtoa Lalatiana Ravololomanana raha nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety izy.

Tsy niantso olona ho avy ety mihitsy izahay, hoy izy, ary tsy mikasa ny hanakorontana velively. Ny demokrasia no nametraka an-dRajoelina teo amin’io toerany io, hoy izy. Rariny ve raha izao fametrahana fiara lehibe 3 feno miaramila sy 4/4 miisa 5 be izao no tambin’ny fitakiana demokrasia ? Tokony hovahany ho an’ny vahoaka ity kianja ity izay notokanany 4 taona lasa katroka izay, hoy ihany ity vehivavy mpitaritolona ity. Diso moa izany ny fanombatombanana tety ivelany hatramin’ny nilazan’ireto mpanao fihetsiketsehana ireto fa hisy raharaha eny Ambohijatovo omaly alakamisy 17 janoary 2013.

 
Ntsoavina Evariste
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT