Politique

Karamana Depiote “Tsy hamelomam-bady aman-janaka”, hoy Rakotomanjato Rodin


  • Alakamisy 14 Oktobra 2010

Tsy nanafina ny hafaliany ireo parlemantera Tiako I Madagasikara (TIM) tsy mbola mivadi-belirano amin’ny fitakiana ny fiverenan’ny ara-dalŕna sy ny fampiharana ny satan’i Maputo hiverenan’ny Filoha Marc Ravalomanana amin’ny fitantanana ny firenena, raha tafavory tao amin’ny "QG" mahazatra azy ireo eny Bel’Air Ampandrana omaly alarobia 13 oktobra.

Rehefa tena nozohiana mantsy, hoy izy ireo ny lisitra nivoaka tamin’ireo nandrafitra ny parlemantera roa nataon’ny fitondrana FAT, dia tsapa fa mbola maro an’isa ireo nisafidy ny tsy hifindra lasy hiaraka amin’i Andry Rajoelina. Nahateny mihitsy aza ny Depiote Yves Aimé, izay anisan’ny voatonontonona ho nifindra lasy tao ho ao, fa tafaresaka tamin’ny ankamaroan’ireo parlemantera TIM nankany amin’ny CST sy ny Kongresin’ny tetezamita vaovao izy ka nilazan’izy ireo fa karama no antony tena alehany ao amin’ireo rafitra vaovao ireo. “Efa mila ho ritra tanteraka ny am-pelatanana, hoy izy ireo dia hiandry an-dRavalomanana mandra-pahoviana nefa ny vady aman-janaka tsy maintsy tsinjovina ?” Dia mbola misy aza moa no nilaza, araka ny fanamarihan’ity mpitaritolon’ny ara-dalàna ity fa tsy fidiny azy ireo no nisafidy ny lalana nalehany fa tsy mpamadika izany izy (na dia nanao fampielezan-kevitra ny hampandany ny Eny tamin’ny fahitalavitra aza).

Tsy mba nisy niditra tany amin’ny vady aman-janaka kosa nandritra ny herintaona sy tapany niasanay teny Tsimbazaza ny karama noraisina naha depiote, hoy ny Depiote Rodin avy any Arivonimamo, fa lany tamin’ny fanompoana ny vahoaka avokoa izany, nanasoavana azy. Tsy ny 3 na 5 na 8 tapitrisa avy amin’ny Parlemanta mihitsy no hoentina hamelomana vady aman-janaka, hoy izy, ary tsy izany koa no hoentina hamitahana ny safidim-bahoaka. Marina fa be ireo taitra ny tonom-bola ka nanara-dia ireo mpivadi-belirano, nefa ambarako mazava fa dokambarotra no nanaovan-dRaharinaivo Andrianatoandro azy ka tsy voatazona ny tena maha depiote. Ho henatra ho azy ireo, hoy ihany ny Depiote Rodin, ny hijoro imasom-bahoaka ka hilaza fa TIM an-dRavalomanana izy ireo nefa efa lasa TIM TGV.
 
E.R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT