Politique

Kaontinanta mikorontan-dava : I Frantsa no olan’i Afrika


  • Alarobia 16 Janoary 2013

Totoafo nanomboka ny sabotsy 12 janoary teo ny daroka baomba ataon’ny tafika anabakabaka Frantsay sy Malianina any amin’ny tapany avaratr’i Mali. Maika nampiantso ny fivorian’ny Filankevi-pilaminan’ny Firenena Mikambana tany New York omaly i Frantsa mba hanamafisana sy hanafainganana ny fahafahana mandefa tafika iraisam-pirenena any an-toerana, efa hiditra tsy ho ela ao Bamako renivohitra ihany koa ny tafiky ny CEDEAO.

 Nihazakazaka be ny toe-draharaha tany Mali tato anatin’ny herinandro ary tena miasa mafy ao ambadik’izany ny Frantsay. Ny filoha Malianina moa no nangataka fanampiana ara-tafika ary dia nanaiky izany i François Hollande. Miady any Mali izany ny Frantsay izao, ambara fa ady amin’ny asa fampihorohoroana ataon’ireo silamo mahery fihetsika izy ity, mitovitovy tamin’ny nataon’ny Amerikanina tany Afghanistan sy Irak, ka vinavinaina fa mety haharitra.

 

Paikadim-panjanahana maoderina

Tsy tongatonga ho azy ny zavatra tahaka izao fa tsy maintsy misy antony ara-politika sy ara-toekarena foana. I Frantsa izay tsy velona raha tsy misy an’i Afrika, nanana paikady vaovao hanjanahana an’i Afrika amin’ny endrika maoderina ny Frantsay. Fahaleovantena an-taratasy fotsiny no azon’ireo zanatany frantsay fahiny, fa raha ny tena marina dia mbola manampahefana amin’izy ireo i Frantsa. Ny fampiharana io paikady io no mampikorontana isaky ny mihetsika ireo firenena Afrikanina, zanatany Frantsay teo aloha, satria raha vao voatohintohina ny tombontsoan’ny Frantsay dia manetsika ny olony izy ireo handrodana ilay fitondrana. Raha toa ka mba tonga saina ny mpitondra ao amin’ilay firenena ka manomboka midrikina, sy tsy manaiky hararaotina intsony, dia mahazo ny anjarany avy amin’ny mpanjanatany fahiny ihany koa. 

Ohatra vitsivitsy

Anisan’ny zanatany Frantsay fahiny tsy mety milamina i Mali, izay nahazo fahaleovantena tamin’ny 1960. Fanonganam-panjakana telo no hita tany dia tamin’ny 1968, 1991 ary 2012. I Ginea indray dia zanatany Frantsay nahazo fahaleovantena tamin’ny 1958. I Sekou Touré no filoha voalohany tany. Sahy nanapaka ny fifandraisana tamin’i Frantsa i Ginea tamin’ny 1965 satria voalaza fa nikononkonona fanonganam-panjakana tany an-toerana ny Frantsay. Nifandimby tany Ginea ny fampiharana ny sosialisma tatsinanana sy ny kapitalisma tandrefana.

Taorian’ny nahafatesan’i Sekou Touré tamin’ny 1982 dia najoro ny fitondrana tetezamita, dia nitranga ny fanonganam-panjakana notarihan’i Lansana Konté tamin’ny 1984 ary filoham-pirenena tsy refesi-mandidy izy na dia teo aza ny fitakiana sy fanoherana isan-karazany, ny fikasana hanongam-panjakana sy ny fikomian’ny ampahany amin’ny tafika, hatramin’ny 22 desambra 2008 andro nahafatesany. Ny ampitson’io dia naka ny fahefana ny miaramila ary nanandra-tena ho filohan’ny fitondrana miaramila ny kapiteny Moussa Dadis Camara. Herintaona taty aoriana, nitifitra ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny fitondrana miaramila ny mpitandro filaminana (28 septambra 2009). Notifirin’ny miaramila mpiambina azy ny kapiteny Dadis Camara ny 3 desambra 2009 rehefa nanomboka nahazo tsirony tamin’ny fitantanana ny tetezamita ka saika hirotsaka ho fidiana na dia efa niteny aza tany am-boalohany hoe : tsy ho kandida fa hikarakara fifidianana fotsiny.

Ny tao Cote d’Ivoire moa dia efa niaraha-nahalala ny korontana nandritra ny 10 taona (2002 – 2012) ka niafara tamin’ny fisamborana ny filoha Laurent Gbagbo ka nanolorana azy tany amin’ny fitsarana iraisam-pirenena. Na dia nambara fa filoha voafidy tamin’ny fomba demokratika aza i Alassane Ouattara, ary tohanan’ny sehatra iraisam-pirenena dia tsy mbola milamina i Cote d’Ivoire, fa dia olon-tsotra mitam-piadiana no sahy manafika tobina zandary na toby miaramila, amin’izao fotoana. 

Isika koa…

Ny jeneraly De Gaulle mihitsy no tonga teto Madagasikara tamin’ny 1958 nampanantena fa tsy maintsy hahazo fahaleovantena isika, ary dia tanteraka izany tamin’ny 26 jona 1960. Nasondrotra ho filoha i Philibert Tsiranana izay nambara fa tena nosoavalian’ny Frantsay tanteraka. Niongana izy tamin’ny 1972. Nanomboka teo ny tantaran’ny tetezamita sy ny savorovoro. Ny miaramila no nitantana ny firenena tamin’ny alalan’ny “Directoire Militaire”, avy eo natolotra ny kolonely Richard Ratsimandrava ny fahefana. Enina andro ihany anefa dia maty nisy nitifitra, tamin’ny fomba tsy mbola mazava hatramin’izao ity farany. Nipoitra tampoka avy any ny Capitaine de Frégate Ratsiraka Didier Ignace dia nirosoana ny revolisiona sosialista.

Raha atotaly dia efa ho 25 taona no teo amin’ny fitondrana ny Amiraly. Tsy mbola nisy hatramin’ny 1960 ka hatramin’izao ny fifandimbiasam-pahefana tao anatin’ny filaminana teo Madagasikara fa na gidragidra aorian’ny voka-pifidianana na fanonganam-panjakana foana no nisy teto, dia lasa mialokaloka any ivelany izay mpitondra nirodana. Tsy lavitra ireo tranga rehetra, toa mitovy notanisaina teo ireo ny frantsay ary efa manana ny paikadiny sy ny olony hampihatra izany, any amin’izay firenena tiany hampiharana izany. Raha tsorina ny resaka dia i Frantsa mihitsy no olana sy fototry ny korontana aty Afrika ka mahatonga ny firenena, tahaka an’i Madagasikara tsy mety mandroso fa toa vao mainka aza mihemotra indray, noho ny savorovoro politika miverimberina isaky ny mihetsika.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT