Politique

Kaominina Toamasina I Telo volana nisiana PDS, in-telo nanitsy tetibola


  • Alakamisy 30 Septambra 2010

Nanomboka ny talata 28 septambra teo ary tsy hifarana raha tsy anio alakamisy 30 septambra, telo andro, ny fivoriana tsy ara-potoana ataon’ny Mpanolotsain’ny Kaominin’i Toamasina I (CUT).

Tao anatin’ny telo volana izany, nanomboka ny volana jolay, dia efa in-telo ny PDS no nangataka ireo mpanolotsaina ireo hivory ka tao anatin’io fivoriana tsy ara-potoana in-telo natao io dia efa in-telo nanao fanitsiana ny teti-bola. Raha amin’ity fivoriana fahatelo ity, dia mahatratra 132 tapitrisa ariary ny sandan’ny sora-bola hafindra amin’ny kaonty hafa izay efa lany vola ao anatiny.

Raha ny fanazavana azo dia nanesorana vola 50 tapitrisa ariary ny volan’ny mpiasa raikitra, -15 tapitrisa ariary ny resaka kojakoja eny amin’ny sampandraharaha teknika, -25 tapitrisa ariary ny fandraisanana lanonana ofisialy, -20 tapitrisa ariary ny saran’ny fivoahana ivelany ary -02 tapitrisa ariary sy -20 tapitrisa ariary ny resaka tambajotra na tranokala sy ny fanofanana samihafa. Ao anatin’izay anefa dia nisy ireo hampiana mba ho betsaka kokoa ny vola ao anatiny, izay nampiasaina 100% ny vola tao ka haingana ny fahalaniany. Nampiana +50 tapitrisa ariary avy ny fividianana solika samihafa sy ny karaman’ny mpiasa an-tselika, +02 tapitrisa ariary sy +30 tapitrisa ariary ny tambinkarama fivoahana anatiny sy ny fivoahana ivelany. Miandry fandaniana ataon’ireo mpanolotsaina anefa vao azo ampiharina izany fanitsiana tetibolan’ny Kaominina ambonivohitra Toamasina izany.

Tambinkarama 09 tsy voaloa
Henjana anefa ny fihaonana. Fantatra mantsy fa nanomboka ny volana janoary 2010 hatramin’izao dia tsy mbola naharay ny tambinkarama mikasika ny sandana antso amin’ny finday izay fanome ny mpanolotsaina izy 19 mianadahy. Mitentina 150.000 ariary isam-bolana isaky ny mpanolotsaina ity sandan’ny fahana finday ity, nefa mitetika ny tsy hanome izany ny mpanatanteraka noho ny tsy fisian’ny vola eo anivon’ny Kaominina. Mandeha ary ny resaka fa miankina amin’izay toky homen’ny mpanatanteraka ny handoavana izany no handaniana na tsia ity fanitsiana tetibolan’ny CUT ity. Ho avy rahateo ny fampielezan-kevitra atsy ho atsy ka tsy maintsy mahavita zavatra ao anatin’ny roa volana ny PDS ahafahan’ny kandidam-panjakana hahazo vato ka ho lany hitantanana ity renivohitra ara-toekarena ity.
 
Ankoatra izay mandritra ity fivoriana tsy ara-potoana ity ihany koa no handinihana ny vola fanome ny EPP sy ny CSBII, ny tany maitson’ny kaominina efa misy manamboatra trano ao amin’ny Cite Jardin, ny fanaovana “bail” ny ampahan-tany ao amin’ny “Place de la Colonne”, ny ho fandravana ny vy be may ao bazary be, ny fifandraisana eo amin’ny Kaominina sy ny firenena Sinoa, ny mikasika ny “licence” ny taxibe ary ny fanavaozana ny haba sy onitra ary ny fampanofana samihafa ny fananan’ny kaominina.
 
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT