Politique

Kaominina renivohi-paritra Hosoloina PDS avokoa ny Ben`ny tanŕna


  • Alatsinainy 31 Mey 2010

Taorian`ny fanovana ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta dia re ankehitriny fa hitatra eny anivon’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana indray ny fanovana.

Mandeha mantsy ny feo fa dia hovana delegasiona manokana avokoa ireo Ben’ny tanàna amin’ireo Kaominina renivohi-paritra miisa 22 eto Madagasikara, ka amin’izay dia Administratera sivily na «Assistant d’Administration» no tendrena ho filohan’ny delegasiona manokana. Efa mandeha ny fitsirihana ireo olona hotendrena amin’izany toerana izany ankehitriny.

Raha izay no izy dia mihevitra ny maro fa tohin’ny fangatahan’ny Administratera sivily izay nanao grevy farany teo nangataka ny hametrahana ny olon’izy ireo amin’ny fitantanana ny lafin-tany. Teny amin’ny Faritra, tendrena ho lehiben’ny Faritra, no hetahetan’izy ireo tamin’izay. Eny amin’ireo kaominina renivohitry ny Faritra izany no mety hanendrena azy ireo raha zohina amin’ny fakan-kevitra mandeha amin’izao. Ny lojikan’izay dia hesorina amin’ny toerany amin’ny maha PDS-n’i Fianarantsoa azy i Pety Rakotoniaina, toy izany koa i Edgard Razafindravaha PDS-n’Antananarivo renivohitra raha tsy hiteny afa-tsy ireo, satria tsy mahafeno ny fepetra.
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT