Misy ny antsirambina nataon’ny fitondram-panjakana foibe, tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakeky, izay nisian’ny filatsahan’ireo miaramila maro mirongo basy.
Teo koa ny latsak’alina tetsy Anosipatrana tamin’ny fangalana an-keriny ny kamio izay tsy nisy taratasy, ary vao ny alarobia teo ny teny amin’ny kianjan’i Mahamasina, izay nidiran’ ny Emmo-reg fotsiny amin’izao tsy misy alalana kanefa ny Fiadidiana ny tanànan’Antananarivo no miandraikitra ny fitantanana ny kianja. Tsy tokony hatao toy ny biby fampitahorana ny fanjakana. Ny herim-panjakana toy ireny mantsy dia entina hampisehoana fa tany tsy misy lalàna sy tsy misy mifehy ny fananam-panjakana izay tantanin’ny kaominina. Manameloka ireny fihetsika ireny ny filankevitra monisipaly satria tsy hidikidirana fahatany ny kianjan’ i Mahamasina. Hentitra ny fanambarana omaly alakamisy 6 jolay 2017 manolona ireny toe-javatra ireny. Olona voafidim-bahoaka ny filankevitry ny tanànan’Antananarivo Renivohitra ary misy ny fahefana izay nomena azy ireo ka mahasarotiny azy, toy ny fiarovana ny fananan’ny kaominina, hoy ny filohany Andriambahoaka Faustin. Manamarina izany ny andinin-dalàna 2014 /020, izay manambara fa miandraikitra mivantana ny fananan’ny tanàna ny Ben’ny tanàna ary manara-maso ny fanatanterahana izany ny filankevitra.
Andrimasompokonolona
Miandraikitra ny fiarovana ny fananany ny kaominina. Araka izany dia omen’ny filankevitra monisipaly torimarika sy alalana ny mpanatanteraka amin’ny fiarovana ny fananany amin’ny fomba rehetra. Asiana ny Andrimasompokonolona na andro na alina. Mampitandrina ny filankevitra ho an’ireo izay mbola minia manao zavatra tsy ara-dalàna. Raha tsapa kosa anefa fa tsy vita ny fiarovana dia hanainga ny vahoakan’Antananarivo izy ireo hiaro ny fananan’ny kaominina. Nohamafisin’ny mpanolotsain’ny tanàna ihany koa fa efa nomen’ny kaominina Antananarivo Renivohitra alalana ny Antoko TIM ny amin’ny fampiasana ny kianjan’i Mahamasina ary tsy mihemotra intsony. Manasa tanana ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny filankevitra ny amin’ny fitandroana ny fandriampahalemana ny amin’ny zavatra mety hitranga satria tsy azo antoka ny fidiran’ireo Emmo-reg izay nanao latsak’alina tao amin’ny kianjan’i Mahamasina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.