Sambany no nisy tompon’andraiki-panjakana tonga nitsidika tao amin’ny kaominina Ambanivohitra Andohabato, distrikan’i Betioka, raha ny vaovao voaray avy any an-toerana.
Tonga tao an-toerana nanolotra milina fanoratana sy fitaovana samihafa avy amin’ny vadin’ny filoham-pirenena, Voahangy Rajaonarimampianina, hampiasain’ny fiadidian’ny kaominina ao an-toerana ny loholona Thierry Raveloson, izay voafidy tao amin’ity distrika ity. Araka ny fampitam-baovao hatrany, dia eo am-pamolavolana ny paikady fampiharana ny Dinabe ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana ihany koa ny any an-toerana amin’izao fotoana. Ny kaominin’i Bezaha sy Betioky Atsimo moa, raha ny fanazavana, dia anisan’ireo tafiditra hidinika mikasika izany ihany koa mba hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana ao an-toerana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.