Politique

Kaominina Ampitatafika Mandeha tsara ny fandoavan-ketra


  • Alarobia 31 Mey 2017

Tontosa ny fampanantenan’ny Ben’ny tanàna Rado Ramparaoelina fampisitrahana traktera ny vahoakan’Ampitatafika. Efa mirotsaka tanteraka amin’ny fanampiana ny fiarahamonina eny an-toerana ity fitaovam-pamokarana ity nanomboka ny volana martsa 2017.

 

 Afaka mampiasa azy avokoa ny olona rehetra ao amin’ireo fokontany mandrafitra ny fari-piadidiana. Laharam-pahamehana anefa ny fifampitokisana eo amin’ny mpitantana sy ny vahoaka izay tokony ho hita taratra amin’ny hetra aloan’ny mponina sy ny asa fampandrosoana, araka ny fanazavany. Fomba iray nentin’ny kaominina ambanivohitra Ampitatafika hatramin’ny taona 2008 hanamafisana io fifandraisana mivantana amin’ny mponina io rahateo ny fikarakarana hetsika ankalamanjana isaky ny 25 jona ho fampitomboana io fifaneraserana eo amin’ny mpiara-monina io. Homen-danja hatrany ireo mpanakanto ao anatin’ny fari-piadidiana ny tanàna ankoatra ny fanasana artista malaza iray isan-taona. Hiaraka hankalaza ny fetin’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara amin’ity taona 2017 ity eny an-toerana i Francis Turbo, araka ny fivoriana fanomanana niarahan’ny roa tonta ny alatsinainy teo.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT