Misy mpiasa iray tena mampitaraina ny maro tokoa eo anivon’ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina amin’izao fotoana izao.
Raha araka ny loharanom-baovao voaray mantsy dia mitsabaka amin’ny asan’ny tompon’andraikitra rehetra eo anivon’ny kaominina izy io, indrindra fa ny resaka urbanisme mba hakany vola aman’olona. Antony mahatonga izany ny fananany havana iray izay tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny kaominina, hany ka tsy afa-manoatra ny rehetra. Vokany, tonga hatrany amin’ny fisavana ireo olona tsy nahazo alalana amin’ny fanorenan-trano ity mpiasa iray ity, mba hakany volabe. Mangataka ny hijeren’ny tompon’andraikitra ny mahakasika ity mpiasa iray ity ireo mponina any an-toerana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.