Politique

Kaominina ambonivohitra Taolagnaro Terena hametra-pialana ny filohan’ny Filankevitra


  • Alakamisy 16 Febroary 2017

Mafana ny toe-draharaha eo anivon’ny Filankevitry ny tanànan’i Taolagnaro. Mitaky ny fametraham-pialan’ny filohan’ny Filankevitry ny tanàna, Ramanandraibe Evariste ireo mpanolotsaina.

Milaza ny hiroso amin’ny fanonganana ireo mpanolotsaina rehefa tsy hametra-pialana ny filohan’izy ireo. Voafidy avy amin’ny lisitra Hery Vaovaon’i Madagasikara ny filohan’ny Filankevitra. Ampangain’ireo mpanolotsaina miaraka aminy ho tsy mahatontosa ny asa aman’andraikitra maha filohan’ny Filankevitra azy izy, ka mamela ny Ben’ny tanàna hanapa-tena samirery tsy miera, ary matetika manao asa tsy maka ny fanapahan-kevitry ny mpanolotsaina. Anatin’ny fivoriana tsy ara-potoana izao ny filankevitry ny tanàna ao Taolagnaro, nanomboka ny talata 14 febroary ary hifarana ny 17 febroary.

Nangonin’i Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT