Tsy marina ny feo niely tamin’iny herinandro iny fa naato tamin’ny asany vonjimaika ny Ben’ny tanànan’ny kaominina Ambohijanaka Andriamatoa Alain Ratsimbazafy.
Tsy mbola naharay ny taratasy mifandraika amin’izay avy amin’ny filankevitry ny kaominina na ny minisitera mpiahy ny tenako hatramin’izao, hoy izy ka dia mbola manohy ny asako ara-dalàna aho. Nitondrany fanazavana koa ny mikasika ny zava-nitranga teny anivon’ny kaominina iadidiany. Nambarany fa niainga avy tamin’ny fanapahana noraisin’ny filankevitra kaominaly tamin’ny alalan’ny didim-panjakana 20/COM/AB/FK/16 tamin’ny 21 oktobra taona 2016 izay namaritra ny laharam-pahamehana amin’ny drafi-pampandrosoana ny kaominina ity fanitarana ny lalana mampitohy an’Ambohijanaka sy By pass ity izay voalaza ao amin’ny andininy voalohany araka ny didim-panjakana laharana 2015-960 toko faharoa, andininy faha-26 sy 27 izay mamaritra indrindra ny andraikitry ny Ben’ny tanàna amin’ny fampandrosoana ifotony sy milaza fa izy no misahana ny fanetsiketsehana ifotony ireo fitaovana ilaina amin’ny fampandrosoana. Anisan’ny antony nanosika ity Ben’ny tanàna iray ity nitady mpiara-miombon’antoka izany raha ny fanjakana kosa avy eo no nandray an-tanana ny tetikasa. Nomarihiny anefa fa tsy 12 metatra ny haben’ilay lalana hitarina fa ny sakan’ilay faritra hanaovana fanadihadiana io voalaza io izay tsy hijanona ny 20 martsa ho avy izao ny fotoana farany fa mbola hitohy hatrany. Fantatra fa tsy hokitihina ny Rova sy ny CSB II raha azon’ny mponina tsirairay hatao ihany koa ny mametraka ny taratasy fitarainany sy ny hetahetany eo anivon’ny kaominina, eny na dia hatramin’ny andro sabotsy aza. Miantso ny vahoakan’Ambohijanaka mba ho tony ity Ben’ny tanàna ity. Efa niravona ihany koa ny olana nisy teo aminy sy ireo filankevitra kaominaly.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.