Politique

Kaominina Ambatomanga Roa taona tsy nahazo fanampiana avy amin’ny fanjakana


  • Talata 25 Oktobra 2016

Tsy mety afa-trosa ny kaominina ambanivohitra Ambatomanga, distrikan’i Manjakandriana, hoy ny Ben’ny tanàna Rabefararano Victor.

 

Ankoatra ny trosa mavesatra navelan’ny Ben’ny tanàna teo aloha dia efa ho roa taona izao ny kaominina no tsy nahazo fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana intsony. Vokany, voatery midi-trosa ny Ben’ny tanàna sy ny ekipany  hampandehanana ny raharaha eo anivon’ny kaominina. Anisan’izany ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa izay tsy vitan’ny vola azo avy amin’ny hetra sy ny fikarakarana ny antontan-taratasy toy ny kopia mari-pahaterahana ary ny bokin’omby. Kely dia kely rahateo ny velaran-tany ao anatin’ny kaominina iadidiany ka vitsy ny mpandoa hetra.  Marihina fa afaka roa taona vao hahazo fanampiana avy amin’ny fanjakana ny kaominina rehetra.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT