Politique

Kaominin’i Vohipeno Mifanolana ny Pds sy ireo Mpanolotsaina monisipaly


  • Alarobia 23 Jona 2010

Raha tsy mbola voavaha akory ny olana eo amin’ny fitantanana ny tanŕnan’i Manakara dia mipoitra sahady indray ny disadisa ao Vohipeno tampon-tanŕna.

Niseho masoandro mantsy ny tsy fifankahazoan-kevitra intsony eo amin’i Marson Pierre, rahalahin’i Marson Evariste, izay Pds notendren’ny FAT ny 11 novambra 2009 sy ireo ao amin’ny Mpanolotsain’ny tanàna miisa fito. Nisy ny fanambarana izay navoakan’ireto farany nampandre ny vahoakan’i Vohipeno sy ireo mpandraharaha ary ny tompon’andraikitra rehetra fa tsy nanatrika ny fivoriana nampanantsoin’ingahy Pds izy ireo omaly talata, satria efa tsy mipetraka intsony ny fifampatokisana. Hisy kosa anefa ny fanazavan-kevitra sy fihaonana amin’ny daholobe hataon’ny filankevitra monisipaly ao Vohipeno hatao ao amin’ny Tranompokonolona amin’ity anio ity. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia manao karazana ampihimamba amin’ny fitantanana ny kaominina ity Pds ity ary tsy mba maka na manontany ny hevitr’ireo mpanolotsainan’ny tanàna, fa dia mazàna dia manapa-kevitra samirery. «Efa tena manakaiky ny didy jadona mihitsy ny zava-mitranga ao amin’ny tanànan’i Vohipeno», raha araka ny filazan’ireo ao amin’ny filankevitry ny tanàna ihany, ka tsy azo ekena intsony izany fa tsy maintsy handraisana fepetra sy ampahafantarina ny vahoaka. Tsy mbola nilaza ny dingana manaraka hotanterahany kosa anefa izy ireo fa dia hilaza ny zava-misy fotsiny aloha. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT