Mazava ankehitriny fa tsy vao izao no niketrehana ny fanalana amin’ny toerany ny Ben’ny tanŕnan’i Toamasina renivohitra, Dr Rakotomanana Gervais.
Efa hatramin’ny volana jona 2009 no efa nisian’izany voalohany, saingy tsy tanteraka. Vao mainka nihamafy izany ny taona 2010, ary izao tonga amin’ny tanjona niriany izao ny mpiketrika azy raha minisitry ny atitany teo aloha no efa nanomana ny ambaindainy rehetra.
Efa niomana
Nisy ny fikaroham-baovao lalim-paka nataona vondrona mpanao gazety maromaro tao Toamasina mikasika ity raharahan’ny Ben’ny tanànan’i Toamasina ity sy izay mety hasolo azy, fa efa tapa-kevitra ny fitondrana FAT ny hametraka filohan’ny delegasiona manokana tahaka ny natao tao Manakara sy Antananarivo. Efa niomana sy nahalala ary nampahafantarina mialoha ny ekipa TGV Toamasina mikasika ity fanoloana Pds ny Ben’ny tanàna ity, satria raha ny alakamisy 03 jona tamin’ny 10 ora teo ho eo no vitan’ny lehiben’ny fampanoavan’ny Fitsarana ambony ao Toamasina ny taratasy mampiantso sy mampisambotra ny Ben’ny tanàna noho ilay hoe fanodinkodinam-bola 400 tapitrisa ariary, dia ny alatsinainy 31 mey no efa nasaina nanangona “CV” avokoa ireo ekipa TGV Toamasina te ho PDS, izany hoe telo andro alohan’ny fivoahan’ny didin’ny fitsarana. Ny lehiben’ny faritra Atsinanana rahateo zara tato ho ato raha misy roa andro ijanonany ao Toamasina, fa lany taty Antananarivo ny herinandro manontolony toa hoe sady nikarakara izao raharaha izao no manamboatra ny toerany ihany koa.
Vonona
Voakasik’ity fitadiavana ny toeran’ny PDS ity koa, ireo ekipan’ny Kaomininy ankehitriny. Raha ny fanadihadiana aloha dia miisa telo izy ireo ao mikasa sy maniry mafy ny ho PDS ity. Eo izany ny Sekretera jeneralin’ny kaominina, Rabariarison Jacques Harrison Seth izay efa nandefa ny CV-ny ihany koa. Nambarany fa “efa vonona ny tenany. Ny fanadiovana ny lesoka sy gaboraraka nataon’ny Ben’ny tanàna rehetra teo aloha sy ny PDS nifandimby no fandaharan’asako. Efa hitako avokoa ny lesoka ka mora ny fanarenana izany”. Eo koa ny lefitra fahefatry ny Ben’ny tanàna, Joel Patrick Gerard Claude (Patou) izay efa vonona ihany koa ary efa nandefa ny famantarana azy manokana. Ny azy kosa dia “ny famerenana ny fifampitokisana amin’ny vahoaka no tanjona. Harenina ny toe-tsaina mikasika ny fiaviana voizina mazàna ao Toamasina ary ny fanomezan-danja ny lafiny sosialy”. Ilay mety ho PDS fahatelo kosa dia ny lefitra voalohan’ny Ben’ny tanàna, Rakotomalala Georges. Ny azy kosa dia noho ny fananany traikefa amin’ny fitantanana satria adminisitratera zokiolona ny tenany ary efa nanana traikefa amin’ny fisoloan-toerana amin’ny seha-panjakana.
Miady ny anjarany
Tsy ireo mpanao politika sy fanta-daza amin’ny fiovan-doko politika ihany no liana amin’ity toerana ho PDS ity fa mitaky ny anjarany koa ny fikambanana samihafa ary efa nandefa ny famantarana manokana (CV) azy ihany koa mba ho anisan’ny voafidy. Eo i Zafitsara Maria Christine, mpitarika ny vondron’ny vehivavy VMLF ao Toamasina. Ho azy dia “efa fotoana fandraisan’ny vehivavy andraikitra izao. Mahavita ny vehivavy ary vonona hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny tanàna ny tenako”. Eo koa ny fikambanana sosialy politika VITAL Fampandrosoana izay tarihin’ny filohany, Mananjara James Anthonio. Nilaza ny tenany fa “ny tanjoko dia hanafoana ny fanaovana tantely afa-drakotra ny fitantanana ny Kaominina. Manan-karena i Toamasina fa ny fanaovana ny gaboraraka ao aminy no mampahantra azy tahaka izao”. Ankoatra izay dia efa misy anarana telo efa mandeha izao, ka ny voalohany lefitry ny Ben’ny tanàna ihany, ireo roa miaraka aminy kosa talem-paritra sy tale iraisam-paritra.
Hazakazaka arahin-tosika ny mitady ny toeran’ny filohan’ny delegasionina manokan’ny tanànan’i Toamasina ankehitriny. Etsy an-kilan’izay anefa dia manjavozavo ny raharaha fanenjehana ny Ben’ny tanàna, Dr Rakotomanana Gervais. Ho hita eo ihany moa ny tohiny, fa mbola ny “CV” no mandeha izao fa ny fanendrena izany mbola Ambatobevohoka.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.