Politique

Kaominin’Ankaraobato Velon-taraina amin’ny ranon’ny Jirama ny mponina


  • Alatsinainy 31 Oktobra 2016

Mitaraina noho ny tsy fahazoana rano fisotro madio araka ny tokony ho izy ireo mponina eny Ankaraobato sy ny manodidina.

Efa ho herinandro mahery izao no niainan’izy ireo izany raha araka ny vaovao azo noho ny fahapahan-drano matetika. Vokany, amin’ny 03 ora maraina isan’andro  dia efa feno bidon milahatra eny amin’ny paompy nefa zara raha ny an-tsasany no mahazo rano handrahoana sakafo sy hidiovana. Voatery  manokam-bola hanakarama mpatsaka rano any amin’ny vovo ny isan-tokantrano noho izany  izay mahatratra hatrany amin’ny 1.000 Ar isan’andro raha kely indrindra. Ankoatra izay dia mitaraina ny amin’ny fisian’ny delestazy matetika ihany koa izy ireo nefa ny faktioran’ny Jirama  midangana hatrany. Tena olan’ny mponina eny Ankaraobato moa raha tsiahivina ny tsy fananan’ny tsirairay  fahafahana amin’ny fampiasana ny rano fisotro madio, indrindra fa ho an’ireo tsy zatra mampiasa rano amin’ny vovo.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT