Politique

Kaoferansa nasionaly Nanafarana miaramila 150 lahy hiambina eny Ivato


  • Alatsinainy 13 Septambra 2010

Nampiantso mpanao gazety ny Kolonely Ravalomanana Richard, lehiben’ny Emmo-Reg omaly nilazany fa misy ny mitady hanakorontana any amin’ny toby fitoeran’ireo mpizaika avy any amin’ny faritra hiatrika ity kaonferansa nasionaly na fihaonambem-pirenena karakarain’ny FAT ity.

Noho izany, hoy izy dia niantso miaramila 150 avy any amin’ny faritany izy hanampy ny efa eto an-toerana mba hiarovana io hetsika politika io. Ny nahavariana ny mpanao gazety omaly dia hatramin’izay nisian’ny resaka fanafihana mitam-basy ataon’ny jiolahy na teto an-drenivohitra na tany amin’ny manodidina, ary mihatra aman’aina mihitsy ireny fanafihana ireny, dia tsy nandrenesana fandraisana fepetra manokana hanampiana miaramila ity mba hiadiana amin’izy ireny. Nefa nony tonga ity ny fihaonambem-pirenena izay hetsika “politika” ataon’ny FAT dia nampiantso mpanao gazety ny Emmo-Reg.

Sa te hiseho fa tena mahavita mirotsaka manohana ny hetsika politika ataon’ny FAT mihitsy ? Raha tena resaka fandriampahalemana tokoa izany rehetra izany dia tombony ho an’ny vahoaka saingy ireo fanafihana mitam-basy etsy sy eroa tsy voafehy saingy izao indray dia ny resaka politika no ampihetsehana ny miaramila. Omaly moa, nandritra ity tafa tamin’ny mpanao gazety ity, dia tonga hatrany amin’ny hoe nampitandrina pasitera iray izany indray fa izany, hono, no lazaina fa mety hanakorontana amin’io kaonferansa nasionaly io. Pasitera ve no hiady amin’ny Emmo-Reg ? Toa hafahafa ihany izany fa ny fantatry ny mponina eto an-drenivohitra aloha izao dia tsy misy tsy mitaintaina amin’ny afitsoky ny jiolahy mitondra kalachnikov fa tsy baiboly tahaka ny an’ny pasitera. 

Fa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT