Politique

Kandida Filoham-pirenena Tsy mandoa vola fa manangon-tsonia


  • Talata 04 Oktobra 2016

Mila jerena manontolo fa tsy amin’ny ampahany, hoy ny mpitarika ny antoko Aro riaka, ny lalàna mifehy ny fifidianana.

 

 Ilaina ny atrikasa mba hisian’ny fifanakalozan-kevitra kanefa dia mampametra-panontaniana hoe sao ny fisian’ilay famatsiam-bola avy any amin’ny PNUD fotsiny no mampikoropaka ny rehetra hanao izany fa tsy tena andraisana soso-kevitra loatra. Tokony hanatsarana ny fifidianana, hoy izy, ny fankan-kevitra toy izao satria ny krizy rehetra teto dia vokatry ny fifidianana hatrany. Soso-kevitray ny hoe, aza atao vola no aloha rehefa hilatsaka filoham-pirenena fa manjary izay manana ilay 50 tapitrisa ariary fotsiny no afaka milatsaka. Tokony ho karazana fanangonan-tsonia, izany hoe, amin’ny alalan’ny 100.000 sonia, ohatra, mba ahafahana manaporofo fa olona avy amin’ny vahoaka tokoa ilay hilatsaka. Rehefa lany izy amin’izay dia mahatsiaro manana adidy amin’ny vahoakany tokoa fa tsy sanatria manadino ny fampanantenana natao.

Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT