Politique

Kandida Ben’ny tanŕna Mety ho sakana ny «Etat 211 bis»


  • Alakamisy 30 Septambra 2010

Anisan’ireo antoko milaza fa vonona ny handray anjara amin’ny fifidianana Ben’ny tanŕna hatao amin’ny 20 desambra 2010 ny Antoko Miombon’Ezaka (AME) ary efa miomana amin’izany araka ny nambaran’ny filohany, Clément Ravalisaona.

Manana ahiahy amin’ny fanatanterahana izany ihany anefa izy araka ny filazany satria misy ny zavatra somary manahirana ihany, indrindra fa ho an’ireo ho kandida. Ny mikasika ilay «Etat 211 bis» tsy maintsy hanambaran’ny kandida tsirairay avy ny hetra naloany tao anatin’ny telo taona mialoha ny andro hanaovana ny fifidianana no tiana resahana eto. Araka ny eritreritr’i Clément Ravalisaona dia tsy tokony hasiana io «Etat 211 bis» io aloha ny antontan-taratasy takiana amin’ireo kandida, satria maro, hoy izy ny olona tsy nahavita nandoa hetra tamin’ny herintaona sy tamin’ity taona ity, noho ny krizy. Ka raha tazonin’ny fanjakana ihany ny fitakiana an’io dia mety ho vitsy no afaka hirotsaka hofifidiana Ben’ny tanàna sy Mpanolotsainan’ny tanàna. Araka ny nambaran’ny filohan’ny AME ihany dia tranga hafa kely no misy amin’izao fotoana ka tokony ho hafa sy miavaka ihany koa ny fepetra raisina fa tsy azo ampitoviana ny tamin’ny nisy rehetra hatramin’izay.

Na izany aza anefa dia vonona ny hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanovana sy ny fametrahana ny Repoblika faha-4 ny AME, ka hanolotra kandida amin’ny 20 desambra, efa nandray anjara rahateo tamin’ny Dinika Santatra sy ny Fihaonambem-pirenena ity antoko ity. Nanoritsoritra Atoa Clémént Ravalisaona fa tokony hohajaina izay hevitra tapaky ny maro an’isa fa tsy mety ny manitatra lava ny adihevitra. Nambarany fa anisan’ny nandroso hevitra ny amin’ny hametrahana ny «régime présidentiel», rafitra manome fahefana kokoa ny filohan’ny Repoblika ny AME saingy tsy neken’ny maro an’isa teny Ivato izany, dia manaiky am-panajana ry zareo satria izay no tapaka.

RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT