Politique

Kandida Ben’ny tanŕna 2.733.825 Ar ny sandam-pilatsahan-kofidiana


  • Alakamisy 18 Novambra 2010

Nivoaka ny 11 novambra teo ny didim-pitondram-paritra, laharana 002/10-CER/ATS, noraisin’ny CER Atsinanana, rantsamangaikan’ny CENI ao amin’ny Faritra Atsinanana, mikasika ny teti-bola tsy maintsy aloan’ireo kandida Ben’ny tanŕna sy mpanolotsaina iray lisitra aminy.

Raha efa ny 05 novambra lasa iny no nisy ny «message radio» nataon’ny CENI foibe milaza ny tokony handraisana ity didim-pitondram-paritra ity. Raha ny didim-panjakana laharana 2010-896 ny 13 oktobra 2010 no jerena ao amin’ny andininy voalohany, dia milaza mazava fa mitentina 20 ariary isaky ny vatom-pifidianana no aloan’ny mpilatsaka hofidiana Ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina rehetra, saingy miankina amin’ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana amin’ny fotoam-pandatsahana ny filatsahan-kofidiana no anaovana ny kajy izay miampy 0,25 ho fanampiny. Raha ho an’i Toamasina renivohitra izany dia mitentina 2.733.825 ariary isaky ny kandida, raha kely, izany vola tsy maintsy aloa izany, ka eny amin’ny Trésor no handoavana ny vola, ho an’ny kandida na ny solontenany. Ho an’ny Kaominina ambonivohitra Toamasina manokana dia miisa 109.353 ny mpifidy nanaovana ny kaonty, ary ahitana mpikambana 24 ny lisitry ny kandida iray izay misy ny Ben’ny tanàna lohalisitra sy 19 mpanolotsaina miaraka aminy ary eo koa ireo 03 mpisolo toerana ho an’ny mpanolotsaina.

Anisan’ny sakana nahatonga ny tsy mbola fisian’ny fametrahana ny filatsahan-kofidiana ho an’ireo te ho kandida ity resaka vola aloa tsy nazava raha tsy ny 11 novambra teo, ankoatra ny fiandrasana ny valin’ny fitsapan-kevi-bahoaka izay natao omaly ity. Araka ny nambaran’ny CED Toamasina I dia ny mpanontany sy mangataka fanazavana aloha ary ny maka ny taratasy izay tsy maintsy hofenoina no betsaka hatramin’izao.
 
Rakoutou
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT