Hevitra maromaro no navoitran’ny CST Soja Jean André na Kaleta raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tany Tolagnaro izy ny sabotsy teo.
Mikasika resabe ao amin’ny vondrona Les AS, nanilihan’i Voninahitsy Eugène azy, nahitsy ny tenin’i Kaleta fa tsy izy no nisolelaka ho Les AS fa nantsoina hanatevin-daharana. Ary nampiany fa manana ny maha izy azy ny antoko Liaraiky tarihiny ary handray anjara mavitrika amin’ny fifidianana rehetra fa tsy hatao fitaovana otsiny. Manolona ny fidinana an-dalambe niitatra tamin’ny sakan-dalana tamin’ny lalana mihazo ny toeram-pitrandrahana fasimainty nataon’ny Fokonolona, notarihin’ny Hetsika Fagnomba dia nilaza i Kaleta fa matoa ny vahoaka mitaky ny zony, dia misy zo voahitsakitsaka izay ka tokony ho vahan’ny lehiben’ny Faritra Anôsy ao anatin’ny fotoana fohy izany mba hiverenan’ny filaminana. Isika rahateo hiatrika fifidianana.
Nomelohin’i Kaleta ireo mpitandron’ny filaminana nandratra ireo mpilahatra sy nisambotra 12 lahy tamin’ireo Fokonolona nitaky ny zony. Maninona hoy izy no tsy Remenabila no ampiasanareo ny basinareo fa ny vahoaka tsy manan-tsiny no anapoahanareo ny baombanareo ? Nampahatsiahivin’i Kaleta fa tao anatin’ny efa-taona naha-lehiben’ny Faritra Anôsy an-dRandriantefiarison Guillaume Vénance, dia efa in-dimy nidina an-dalambe ny vahoaka tao Tolagnaro. Tokony hahatsapa tena hiala ny lehiben’ny Faritra na hametram-pialana moramora rehefa anaovan’ny vahoaka grevy isan’andro vaky izao, hoy i Kaleta. Tsy fotoanan’ny fidongiana seza izao, hoy ity farany fa andron’ny fahatsapan-tena.
Natiora OTH
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.