Politique

Kabary teny Iavoloha


  • Alakamisy 10 Janoary 2013


 CT Dox Didier Zabofigera (FINOANA)

Samy naneho fanamby hirosoana amin’ny fifidianana na ireo heverina ho mpanohitra na ny mpitondra. Ny fahasamihafany kosa, ny mpitondra dia ao anatin’ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena ka mahasahy miteny fa vitantsika amin’ny alalan’ny herin’ny tena ny zava-drehetra. Ny olana misy dia hoe : andeha ihany ve ilay fifidianana manoloana ity fotokevitra fiarovana ny fiandrianam-pirenena ity manoloana ny fepetra «Basket Fund» apetrak’ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena ? Samy hiziriziry amin’ny heviny ireo ka iza no handefitra ?

SARY : CT Dox Didier Zabofigera

CT Ramahefasoa Barbin (PNJ)

Ny kabary sasany mety ho hoe masiaka, mety hoe tsy masiaka fa ny azoko ambara dia nahafahantsika nijery, nitombana ny vitan’ny tsirairay avy ireny. Na ny taty anivon’ny mpanao lalàna na teo amin-dry zareo mpanatanteraka. Iny izany sehatra iray nahafahan’ny mpitondra nanamafy ampahibemaso ho an’ny besinimaro an’izay heverina fa dingana tratra naha-teo amin’ny fitondrana azy. Ny zava-misy no niseho teo. Ny fandanjandanlana ny mahafa-po sy tsy mahafa-po dia miankina amin’ny tsirairay avy fa amin’ny maha mpitondra ny tena ny adidy dia ny ahafahana manatanteraka sy manatsara mandrakariva ny ilain’ny maro.

SARY : CT Ramahefasoa Barbin

CT Randrianasolondrabe Eric (Ankolafy Ravalomanana)

Ny voalohany dia tsy hoe hitoraka voninkazo ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita amin’ny maha mpitarika ny Ankolafy Ravalomanana azy fa raha ny fijeriko azy dia izy no tena namotsipotsitra an-kitsipo ny tena zava-misy marina iainantsika eto Madagasikara amin’ny politika amin’izao fotoana izao. Tsy sanatria hoe natao hanaratsiana na hanenjehan’olona izany fa natao hanairana antsika tsy ho sodokan’ny fandokadokafana sy filan-dera ny hoe zava-bita. Marina fa hoe efa niakatra 30% hatramin’izay nahateo azy izay ny karaman’ny mpiasam-panjakana fa tokony notohizan’ny filohan’ny tetetazamita fa niakatra 300% koa ny fiakaran’ny vidim-piainana ao anatin’izany. Dia mahatsiaro tena ve isika fa tratra ny tanjona ? Tsy hoe fahalainana sy tsy fitiavana no hitenenanay Ankolafy Ravalomanana izany fa ampisehoanay ny soatoavina fihavanana Malagasy ary endrika iray anehoanay fa misokatra amin’ny adihevitra amahana an’i Madagasika amin’ny krizy izahay.

SARY : CT Eric Randrianasolondrabe

Nangonin’i Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT