Nanjaka ny tsy fahamarinan-toeran’ny fitondrana sy ny tsy fisian’ny fototra ara-dalàna teo amin’ny fitantanana an’i Madagasikara tao anatin’izay 57 taona niverenan’ny fahaleovantena izay.
Mpitondra 6 amin’ny 13 no mba voafidim-bahoaka saingy 2 tamin’ireo ihany koa no tsy nahitana korontana. 4,5 taona ny salan’isa nitantanan’ireo mpitondra nifandimby teto Madagasikara hatramin’ny taona 1960, hoy ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina nandritra ny lahateny nataony teny Iavoloha.
100 tapitrisa ariary
Sahirana tanteraka ny 80%-n’ny Malagasy, tsy misotro rano madio ny vahoaka 11 tapitrisa, tsizarizary ny 80%-n’ny sekoly, ny 15%-n’ny mponina no misitraka herinaratra ary tsy mahavita tena ara-tsakafo i Madagasikara, hoy i Hery Rajaonarimampianina. Ampy izay ny fahantrana, ny fanaovana tohatra ny vahoaka, ny hetraketraka sy ny korontana eto amin’ny firenena. Taraiky sy farany eo amin’ny lafiny fampandrosoana manerantany i Madagasikara. Niantso fifanomezan-tanana sy nanome lanja ny fihavanana moa ny tenany. Fanoitra fototra amin’ny fanandratana ny firenena ny fanorenana fotodrafitrasa sy famoronana asa ho an’ny mpiray tanindrazana, hoy ny filoham-pirenena Malagasy. Ilaina mpitondra mahay sy mahafehy asa miaraka amin’ny famaizana ireo tompon’andraiki-panjakana mpanao ratsy ny fanatontosana ny PND (Plan National de Développement) nahazoana famatsiambola tao Paris ny volana desambra 2016, araka ny fanamarihany. Nandaniana vola hatrany amin’ny 100 tapitrisa ariary anefa ny fiaraha-misakafo niarahan’ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina mivady tamin’ireo olo-manankaja Malagasy sy vahiny nasaina manodidina ny 1.400 teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha omaly.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.