Tsy mitsahatra ny maneho hevitra sy manoro hevitra manoloana ny fiainam-pirenena ny fikambanana katolika «Justice et Paix».
Nilaza ny sekretera jeneraliny, ny mompera Alain Thierry Raharison, fa efa maro be ny lalàna novolavolaina sy navoaka teto fa eo amin'ny fampiharana azy hatrany no olana. Hita tamin'ny fitondrana nifandimby izany, hoy izy, ary fomba efa mila ovaina amin'izay satria mampihemotra fa tsy mampandroso. Mahatsapa koa ity fikambanana katolika ity fa toa zary mpitazana fotsiny ny vahoaka fa tsy mandray anjara mivantana amin'ny fiainam-pirenena mihitsy. Nohazavain'ny mompera Alain Thierry Raharison fa tsy ahoan'ny vahoaka na mitambatra andro iray na misaraka ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka. Rehefa antsoina hifidy izy ireo dia ho avy satria manana fotoana malalaka sy tsy variana amin'ny zavatra hafa.
Tsy miraharaha izay vato alatsany ny ankamaroan'ny olona, hoy ihany izy fa dia manatanteraka ny adidiny fotsiny. Ho an'ny «Justice et Paix» anefa dia mila tompon'andraikitra tanteraka ny mpifidy tsirairay ka hanara-maso akaiky sy hamantatra ny mombamomba izay olona hofidiany. Na filoham-pirenena mantsy na ireo solombavambahoaka dia nampindramina fahefana ihany ary tokony hanatanteraka izay mahasoa ny vahoaka fotsiny ihany. Ny vahoaka ihany no manana adidy sy andraikitra hanara-maso ny asan'izy ireo. Tsy mpitazana sy mpandrotsa-bato fotsiny ny vahoaka, hoy ny mompera Alain Thierry Raharison, sekretera jeneralin'ny fikambanana “Justice et paix” fa handray anjara mavitrika amin'ny fiainam-pirenena sy mitaky vokatra amin'ireo olona nametrahany fahatokisana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.