Namoaka sori-dalana hahafahana mampanjaka ny fahamarinana, fikatsahana ny fandriampahalemana ny Firaisamonim-pirenena “Justice et paix” sy ny K3F.
Notsiahiviny fa maro ireo taratasy nataon’ireo Raimandreny Eveka, FFKM ho fanitsiana ny fomba fitantanana tsy mety, izay miseho lany etsy sy eroa, ka mamotika ny vahoaka. Iarahantsika mahita anefa ny zava-misy mbola iainan’ny vahoaka noho ny tsy fankatoavan’ny mpitondra ireny Raimandreny ireny. Vokatr’izany dia potika tanteraka ny firenena ary mijaly ny vahoaka. Tsy azo havela intsony izany fahoriana izany zakain’ny Malagasy izany. Araka ny antso nataon’ny Eveka ny ny 13 mey 2017, dia miantso ny kristianina rehetra sy ny tsara sitrapo tsy ankanavaka mba tsy hiraviravy tànana hanambatra ny hery sy hiray hina ho amin’ny fiovam-penitra mahery vaika. Nanamafy kosa ity firaisamonim-pirenena ity fa tsy mitovy amin’ireo hetsika rehetra nisy teto amin’ny firenena izay nahakivy ny vahoaka no hatao fa fandraisana an-tanana ny ho avy ary izany dia arahim-bavaka hatrany. Tsy maintsy hiadiana ny fahantrana efa mitambesatra. Hijoroana hatramin’ny farany ny fanasoavana ity firenena iaraha-manana ity ka havalona ny tantara ratsy efa niainana. Isan’ny zava-dehibe ny fanaganana ny K3F (Komitin’ny fahamarinana sy ny Fandriampahalemana ary ny Fiadanana), izay tsy hanavahana na iza na iza. Hanampiana sy hamelomana ary hanatevenenana ny rafitra “Justice et paix”, handihinina ireo zava-dratsy sy tsy mahomby rehetra iainantsika mba hahitam-bahaolana,… Hisy ihany koa ato ho ato ny fihaonambe sy vavaka hasivian’andro ao ho an’ny tanindrazana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.