Politique

Joyandet hihaona amin-dRavalo Resaka ‘Poisson d’Avril’


  • Zoma 02 Aprily 2010


Tsy mitombina ny vaovao naely fa dia nihazo an’i Afrika Atsimo hihaona amin’ny filoha Ravalomanana i Alain Joyandet, sekreteram-panjakana frantsay misahana ny fiaraha-miasa sy ny frankôfônia. Nanamafy àry i Guy Rivo Randrianarisoa, mpitondra tenin’ny ankolafy Ravalomanana, fa tsy tafiditra mihitsy tao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny filoha Ravalomanana izany fihaonana izany. Tsy mbola nihaona mihitsy ny roa tonta. Tao anatin’ny mangarahara hatrany, hoy ny mpitondra teny, no nanaovan’ny ankolafy Ravalomanana ny fitadiavam-bahaolana rehetra hiverenan’i Madagasikara amin’ny ara-dalàna. Mba tsy hamitahana ny vahoaka, hoy ihany ny mpitondra teny no hanaovan’izy ireo izany fanitsiana vaovao diso izany. “Poisson d’avril” iny fa tsy tena izy ! 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT