Araka ny vaovao farany dia nahemotra any aorian’ny 26 jona mihitsy ny fahatongavan’i Joaquim Chissano, lehiben’ny ekipa mpanelanelana iraisam-pirenena eto Madagasikara raha tokony ho anio.
Ny anton’ny fihemorana moa dia noho ny fankalazana ny fetim-pirenena ny sabotsy 26 jona ho avy izao, eo koa ireo fandaminana tsy maintsy mbola natao, ary tsy maintsy mbola nisy ihany koa ny resaka savaranonando teo aminy sy ireo ankolafy na ny solontenan’izy ireo izay mety hihaona sy hifanakalo hevitra aminy mandritra izao diany eto Antananarivo izao. Raha ny fandaharam-potoana tany am-boalohany dia efatra andro no hijanona eto i Joaquim Chissano, ary hihaona aminy avokoa ireo avy amin’ny ankolafy efatra, ireo solontenan’ny antoko sy firehana politika ankoatra ny ankolafy efatra, ny fiarahamonim-pirenena, ary mety hisy ihany koa ny fihaonany amin’ny solontenan’ny foloalindahy, eo ihany koa moa ny fihaonana amin’ireo masoivoho vahiny eto amintsika.
Tsy zava-baovao fa manodidina ny famahana ny krizy sy ny fikatsahana ny vahaolana iombonana sy eken’ny rehetra amin’ny fananganana ilay tetezamita tena izy, no anton-dian’ity mpitarika ny vondron’ny mpanelanelana iraisam-pirenena momba ny krizy Malagasy ity. Raha ny fantatra hatreto dia dinika savaranonando mialoha ny fihaonan’ireo filohan’ny ankolafy 4 ity hotanterahana manomboka ny alakamisy izao ity ; nirahan’ny sehatra iraisam-pirenena mantsy mba handresy lahatra ny ankolafy rehetra, indrindra fa ny ankolafy Rajoelina i Joaquim Chissano, fa tsy misy afa tsy ny fifampidinihana sy ny fifanekena ary ny fanatanterahana izay rehetra nosoniavina no vahaolana tokana amin’izao krizy izao. Mety ho fanomezana tsara no sady miavaka no ho azon’ny Malagasy amin’ity faha-50 taona niverenan’ny fahaleovantena ity, raha mahay mifanaraka ireo mpanao politika. Satria raha milamina sy mahomby ity dian’i Joaquim Chissano ity, ary samy hampandefitra ny hambom-pony ny rehetra dia ho hita ny marimaritra iraisana amin’ny fananganana ilay tetezamita iaraha-mitantana ary hiverina miandalana amin’izany ireo famatsiam-bola avy any velany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.