Politique

Joaquim Chissano Nihaona tamin’i Marc Ravalomanana sy Jacob Zuma


  • Talata 27 Aprily 2010

Mialoha ny hanombohan’ny fihaonana any Pretoria dia efa nanomboka ny asany sahady tamin’ny fanaovana fihaonana savaranonando i Joaquim Chissano, mpanelanelana ofisialy notendren’ny SADC amin’ny famahana ny krizy eto Madagasikara.

Fantatra ary fa nihaona tamin’ny filoha Afrikanina Tatsimo Jacob Zuma sy ny filoha Marc Ravalomanana ity lehiben’ny vondron’ny mpanelanelana amin’ny krizy Malagasy ity ny sabotsy lasa teo. Tany Afrika Atsimo moa no nitrangan’izany fihaonana roa izany. Tsy nisy nipika ny resaka, saingy efa azo sary an-tsaina ihany fa misy fandraisany amin’ny fihaonana any Pretoria izany rehetra izany. Ny filoha Afrikanina Tatsimo Jacob Zuma dia voalaza hatrany am-boalohany fa mety ho anisan’ny mpanelanelana mandritra ny fihaonana. Izy ihany koa no mety hiara-hitarika ny fivoriana miaraka amin’i Joaquim Chissano sy izay solontena alefan’ny Frantsay eo. Araka ny vinavina mantsy dia mety ho telo tonta ny mpanelanelana any Afrika Atsimo amin’ity indray mitoraka ity. Eo aloha ny Frantsay sy ny Afrikanina Tatsimo izay voalaza fa tompon-kevitra ny amin’ny hanaovana ny fihaonana, ary eo ihany koa i Joaquim Chissano izay efa nitarika ny fanelanelanana hatrany Maputo sy Addis Abeba, ary notendren’ny vaomieran’ny filaminana sy fandriampahalemana eo anivon’ny vondrona Afrikanina ho lehiben’ny vondron’ny mpanelanelana amin’ny krizy malagasy nanomboka tamin’ny jona 2009.

Azo antoka fa tsy maintsy hisy mantsy ny adihevitra fa tsy tonga dia fanaovan-tsonia araka ny filazan’ny filohan’ny HAT Andry Rajoelina azy no hatao any Pretoria. Araka ny fahitana ny resaka hatreto mantsy dia tsy mbola mifanaraka tsara ny tadin-dokanga eo amin’ny ankolafy Ravalomanana sy Rajoelina, na dia samy milaza ny vonona ny ho any Pretoria aza izy ireo. Samy manana ny filazany izy ireo amin’ny anton-dia any, ka izany no tsy maintsy hisian’ny fifampidinihana, satria sarotra ihany ny hino fa ho vita ny sonia, raha ohatra ka ireo ankolafy roa voakasika mivantana amin’ny famahana ny krizy no tsy mahita ny marimaritra iraisana. Ary araka ny tsiliantsofina re dia mbola mety hihaona mitokana amin’i Andry Rajoelina any Afrika Atsimo ihany koa i Joaquim Chissano mialoha ny tena hanombohan’ny fivoriana.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT