Politique

Joaquim Chissano Lasa tsy nanao veloma


  • Sabotsy 20 Aogositra 2016

Tonga nangingina, lasa tsy nanao veloma ! Tezitra sa nandamoka ny diany teto ? Nandao an’i Madagasikara omaly tolakandro ny delegasiona avy amin’ny vondrona SADC notarihin’i Joaquim Chissano.

Nanao tombana ny fanatanterahana ny voarakitry ny Tondrozotra, izay niarahan’ny ankolafin-kery politika teto Madagasikara nanao sonia nandaminana ny krizy politika nahafahana nivoaka ny tetezamita, no voalaza fa anton-diany teto. Tamin’ny alatsinainy no efa tonga ny iraka. Fihaonana tamin’ireo filohana andrimpanjakana, filoham-piangonana, mpanao politika sy tompon’andraikitra misahana ny filaminana no voalahatra fa hataony nandritra ny fijanonany teto. Fanaony ny mitafa amin’ny mpanao gazety mampahafantatra ny fanatanterahana ny anton-diany teto, mialoha ny handaozany an’i Madagasikara saingy nangina izy tamin’ity indray mitoraka ity, sa nafangainina ny fialany teto Madagasikara nanoloana ny fihaohaon’ny feo fa hongotraka ny hetsika fitaomana olona hidina an-dalambe nataon’ny Antso ho Fanavotam-Pirenena (AFP) teo amin’ny Kianjan’ny 13 mey omaly ?

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT