Politique

Joachim Chissano Halavao herintaona ny fe-potoana iasan’ny Ben’ny tanŕna !


  • Alakamisy 11 Aogositra 2011

Namaly an-tsoratra ny taratasy nalefan’ny vondrona ESCOPOL any amin’i Joachim Chissano sy Dr Leonardo Simao ao amin’ny ekipa mpanelanelana avy amin’ny SADC misahana ny raharaha Madagasikara tamin’ny 04 aogositra teo, izay manamafy fa ny sori-dalana nasiam-panitsiana no lalana hamoahana an’i Madagasika amin’izao krizy izao ka manontany ny fotoana hanaovan-tsonia marina io sori-dalana io na farafaharatsiny ny dingana misy azy amin’izao fotoana ary koa manontany ny hevitry ny mpanelanelana sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena manoloana ny toe-draharam-pirenena ankehitriny, ny lehiben’ny mpanelanelana avy amin’ny vondrona SADC, Joachim Chissano.

 Manazava ity farany, araka ny valin-taratasy nalefany ny 09 aogositra teo, fa efa nifampiresahana tamin’ny Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana sy ireo fonksionera ambony ao ary ireo ambasadaoron’ny firenena mpikambana ao amin’ny vondrona SADC eo anivon’ny Firenena Mikambana ny amin’ny fanapahan-kevitra tapaka tao Sandton ary nohamafisin’ny CPS tany Addis Abeba mikasika ny sori-dalana hamoahana an’i Madagasikara amin’izao krizy izao, ary nankasitrahan’izy ireo izany.

Nisy ny taratasy nalefan’ity farany, tamin’ny 09 jolay 2011, any amin’ny Sekretera mpanatanteraky ny SADC, Dr Tomaz Salomao, hanomanana ny fanaovan-tsonia azy io eto Antananarivo eo anatrehan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ka tanterahina miaraka amin’io koa ny fivorian’ny GIC-Madagasikara, izay raha ny tolokeviny dia atao ny faramparan’ny volana jolay teo, saingy mbola anatin’ny fakan-kevitra amin’ireo filoham-pirenena mpikambana ao amin’ny SADC, ny eo anivon’ny Vondrona Afrikanina, ny vondrana iraisam-pirenena ary ny FAT ingahy Salomao amin’izao, ka dia miandry ny fahavitan’izany ny famaritana ny daty hanaovana sonia ilay sori-dalana nasiam-panitsiana, hoy i Joachim Chissano.

Mikasika ny fifidianana Ben’ny tanàna sy lehiben’ny Faritra kasain’ny FAT hotanterahina mialoha ny faran’ity taona 2011 ity indray, dia nahitsy ny valin-tenin’i Joachim Chissano, fa “tsy feno ny fepetra ara-teknika sy politika ahafahana manatanteraka malalaka, azo antoka ary eken’ny rehetra izany”. Ny ekipa mpanelanelana dia mihevitra fa ny fampiharana ny sori-dalana voasonia no hampisy izay fepetra ara-teknika sy politika izay, hahafahana miroso amin’ny fanatanterahana fifidianana eo ambany fiahian’ny Firenena Mikambana. Hentitra ny teniny, fa “tsy hanan-kery ary tsy hankato an’izany fifidianana tanterahina ivelan’ny rafitra voalazan’ny sori-dalana ny SADC sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena”. Marina, hoy i Joachim Chissano, fa hifarana tsy ho ela ny fe-potoam-piasan’ireo Ben’ny tanàna, ary tsapanay tokoa ny fiantraikan’izany. Soso-kevitra nomeny ny tokony hamoahan’ny Parlemanta lalàna hanitatra herintaona ny fe-potoam-piasan’ny Ben’ny tanàna sy ireo olomboafidy eny amin’ny Faritra, mba hampiharana izay voarakitry ny sori-dalana ka hahatomombona ireo fepetra ara-teknika sy politika takian’ny fanatanterahana fifidianana malalaka, azo antoka ary eken’ny rehetra eto Madagasikara.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT