Politique

Jly Rakotoarimasy Lucien Manao ririnin-dasa tsy tsaroana


  • Alarobia 24 Novambra 2010

Tsy nifidy teny havoaka mihitsy ny jly Rakotoarimasy Lucien teny amin’ny biraony Ampahibe omaly raha nitafa tamin’ny mpanao gazety.

Tamin’izany mantsy no nilazany fa «raha jerena ny tantara dia ireo miaramila teny Ivato ireo no mpanakorontana eto amin’ny firenena». Toa odian’ity jeneraly ity tsy hita fa tsy tonga tamin’izao toerany izao izy raha tsy nisy fiokoan’ny andia-miaramila niainga avy ao amin’ny CAPSAT nanomboka ny 08 martsa 2009. Odiany tsy fantatra ihany koa fa anisan’ireo nitarika tamin’izany ry Jeneraly Noël Rakotonandrasana, kolonely tamin’izany fotoana izany sy ry lietna-kolonely Charles Andrianasoavina, izay nilanja galona kaomandà tamin’izay. Ankehitriny izy milaza fa ireo no mpanakorontana eto amin’ny firenena. Raha mahatsiaro izany ity jeneraly ity dia tokony hametra-panontaniana amin’ny tenany, fa vokatr’izay fanakorontanana notarihina miaramila tamin’ny 2009 izay no igalabonan’ireo ministra amin’izao fotoana amin’ny fiara Mondeo tsara tarehy, anisan’izany izy. Tsy izay ihany fa niantso an’Andriamanitra mihitsy ny jeneraly Rakotoarimasy omaly. «Natambatr’Andriamanitra amin’ny zavatra ratsy izy rehetra ireo amin’izao fotoana izao», hoy ihany izy.

Miova tokoa ny olona rehefa mahazo fahefana eto amin’ity Madagasikara ity. Ny fiheveran’ny olona ny zava-nitranga teny Ivato dia ny hahaizan’ireo samy miaramila mifandamina eo amin’ny samy izy. Ny nahagaga anefa dia tena nandentika mba tsy hilazana hoe namono ny efa maty mihitsy ireo miaramilan’ny FAT teny Ampahibe ireto omaly. Ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Randrianazary aza sahy nilaza fa nataon’ny mpanao politika fitaovana foana ny miaramila hatramin’izay ary tonga ny fotoana hanovana izany. Toa hadinony sahady ny fiarahany tamin’ny Praiministra Mangalaza Eugène tamin’izany fotoana. Na efa nesorin’ny FAT aza io Praiministra io dia mbola izy hatrany no nisahana ny «porte serviette»-n’i Mangalaza fony ity farany mbola tao amin’ny hotely Colbert. Ririnin-dasa tsy tsaroana daholo ireny satria mipetraka eo ambony seza fiandrianana amin’izao fotoana izao. Ary mby aiza koa moa ny amin’ilay raharaham-bola 500 tapitrisa ariary fototry ny disadisa tao amin’ny FIGN iny, toa nangina sa nampanginina rehefa nadoboka any Tsiafahy ireo zandary manamboninahitra sahy namaky bantsilana ny aretina mikiky ny zandary sy nitaky ny mangarahara momba azy iny ? Mbola hitohy. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT