Politique

Jly Noël Rakotonandrasana «Tokony hiala amin’izay Rajoelina»


  • Zoma 29 Oktobra 2010


Manomboka mivoaka amin’ny fahanginany ireo olona akaiky an-dRajoelina ka voatsipaka teo amin’ny fitondrana. Ny akaiky indrindra amin’izany dia ny ministry ny Foloalindahy teo aloha, ny Jeneraly Rakotonandrasana Noël izay nilaza fa tokony hiala amin’izay Rajoelina rehefa tsy zakany intsony ny mitantana ny tetezamita. «Tsotra be ny vahaolana, omeny sivily mahasehaka tsara na koa miaramila izay atokisany ny fitondrana ary apetraka tsara ny fepetra izay tokony hotakiany. Amin’izay fotoana izay dia tsy fanonganam-panjakana no hiantsoana azy», raha araka ny fanazavan’ity manamboninahitra Jeneraly ity. Izany vahaolana izany dia narosony, raha araka ny filazany, mba tsy hampitarazoka loatra ny raharaham-pirenena izay efa ao anatin’ny kizo tanteraka. Tsikaritra izany fa vitsy ihany tamin’ireo ekipa nanongam-panjakana tamin’izany fotoana no mitsipaka ny fitondrana izay natsangan’izy ireo ihany amin’izao fotoana. Tokony hahatonga saina ny mpitondra izany... 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT