Raha mba nisy ny fijerena ifotony ny zava-nisy rehetra, hoy ny tan-tsoroky ny AFP, Jerry Ratsimandresy, dia tsy ho tonga amin’izao hetsika hotanterahina amin’ny 19 aogositra izao ny AFP.
Efa vitany ala nenina ka tsy maintsy hirosoana amin’izay ny fampiasana ny fahefam-bahoaka, hoy izy. Tsy hita izy tsy hampahomby ny hetsika hatao amin’ny 19 aogositra eny amin’ny araben’ny fahaleovantena.. Ny zava-nisy dia nisy ny hery famoretana tsy nahafahantsika nihetsika. Be dia be ny manao am-po tsy miloaka, fa efa samy mahafantatra ny rehetra fa tsy misy miaina ara-dalàna intsony. Izany indrindrano antony nilazana fa efa herin’ny maizina no manjaka eto satria tsy toy izao ny fiainantsika raha miaina ao anatin’ny mazava, hoy izy.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.