Politique

Jeneraly SOJA Diso fanantenana amin’ity fitondrana ity


  • Zoma 23 Septambra 2016

Niala tamin’ny fahanginany ny jeneraly Soja. Tsy nisorona ity jeneraly misotro ronono eo anivon’ny zandarimaria ity tamin’ny fanehoan-keviny mahakasika ny zava-misy ankehitriny.


 Nambarany fa mijaly fadiranovana ary diso fanantenana tanteraka amin’ity fitondrana Hery Rajaonarimampinina ity ny ankamaroan’ny Malagasy, ary tsy manana finoana intsony ny hivoahana amin’izao fahantrana mangitsokitsoka izao. Ireo mpandraharaha ara-toekarena anaovana antsojay, itadiavana sotasota ary enjehina tsy afaka mampiasa ny volany raha tsy mandrotsaka 20%. Miafara amin’ny famoronana dosie, hanenjehana ireo manelingelina ny fihinanana. Manampy trotraka ny tsy fandriampahalemana, izay mampahazo vahana ny fahantrana. Anisan’ny lesoka eto Madagasikara, hoy ny jeneraly Soja dia tsy miray hina ny mpanao politika sy ireo manampahaizana ary ireo mpandraharaha. Vokany, mivaralila ny fiainam-pirenena. Nandroso vahaolana ny jeneraly Soja fa tokony hotanterahina ara-bakiteny ny fampihavanam-pirenena, andraisan’ny daholobe anjara. Nomarihiny anefa fa “tsy ny fampifanatonana ireo mpitondra teo aloha tsy nifanaraka akory no tanjona fa ny Malagasy iray manontolo no mifampidinika”. Apetraka tsangambato eo amin’ny kianjan’ny 13 Mey ho marik’izany ho fantatry ny taranaka. Mpikambana tao amin’ny “Directoire militaire”ny jeneraly Soja rehefa nisy namono ny kolonely Ratsimandrava. Efa filohan’ny delegasiona manokan’ny faritany Toliara izy, filohan’ny komitim-paritra momba ny fampandrosoana ny Faritra Anosy ary efa minisitry ny Atitany. Mipetraka any Tolagnaro izy, salama tsara na dia efa mahazo taona aza.

OTH


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT